Nanatanteraka fivoriambe tetsy amin’ny Havoria Anosy ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly. Tanjona ny hahafahana miara-mandroso eo amin’ny sehatry ny asa. Teny an-toerana nitarika izany ny minisitra, Razafinjato Aurélie. Miha mitombo ireo olona an-dalambe eto amin’ ny Nosy, indrindra ny eto Antananarivo, raha ny zava-misy. […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny Fiadanana ireo solontenan’ny mpianatra monina eny amin’ny Campus Ankatso II, tamin’ity herinandro ity. Laharam-pahamehana ny hamahana ny olan’ireo mpianatra mipetraka eny Ankatso II ireo mahakasika ny jiro sy ny rano ary ny kalitaon’ny trano fonenana. Efa nidina ifotony teny an-toerana […]
Fampianarana teknika Vakinankaratra: hiara-hiasa amin’ny tsy miankina
Nidina ifotony nijery ireo fotodrafitrasa sy fampiofanana atolotra ao amin’ireo ivontoeram-panofanana mandrafitra ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Vakinankaratra ny minisitra Rasoloarisoa Marie Marcelline, tamin’ity herinandro ity. Natomboka tao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritra ny fitsidihana. Avy eo nitohy tao amin’ny Lycée téchnique et professionnel Antsirabe, Lycée téchnique et […]
Famaranana ny zaikabe FIVAMI : hiompana amin’ ny asa sosialy
Hifarana anio ny telo andro hanantanterahana ny zaikabe 2024 ataon’ny fikambanan’ny vady miaramila (FIVAMI) manerana ny faritra telo. Anisan’ny ahitana izany, ny any Fianarantsoa, Antsirabe ary Mahajanga. Hahazo vahana mandritra ny famaranana ny tolotra ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ary hetsika ara-kolontsaina samihafa. Samy hahazo tombony amin’izany na ny mpikambana na ny […]
Sekolim-panjakana : tsy andoavam-bola ny fampidirana mpianatra
Ho fanamaivanana ny vola aloan’ny ray aman-dreny amin’ny fampidirana an-tsekoly ny zanany, nametraka lamina vaovao ho an’ny taom-pianarana 2024-2025 ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, araka ny fanambaran’ny minisitra, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, omaly. Tsy mahazo mampandoa vola ny ray aman-drenin’ny mpianatra intsony ireo sekolim-panjakana tsy manana mpampianatra Fram tsy mahazo fanampin-karama avy […]





