Fiaraha-monina

Tontolon’ny ankizy amin’ny taona 2050 : miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisina

Nanao tombana momba ny tontolo hovantanin’ny an­kizy amin’ny taona 2050 ny Unicef miainga amin’ny fototra siantifika sy ny zava-misy amin’ izao fotoana izao. Fironana telo lehibe no hamaritra ny hoa­vin’ny zaza maneran-tany : ny fitomboan’ny isan’izy ireo, ny krizin’ny fiovan’ny toetr’ andro ary ny firoboroboan’ny teknolojia arakajy mirindra, hoy ny solontenan’ny […]

Wednesday Morning Group : hanolotra “Bazar de Noël”, andiany faha-60

Ho fiomanana ny fankalazana ny fetin’ny Noely, mikara­kara “Bazar de Noël”, andiany faha-60 ny Wednesday Morning Group (WMG). Hatao etsy amin’ny Hôtel Carlton Anosy, ny 30 novambra izao izany. Hiarahan’izy ireo miasa amin’ny ambasadaoro maro sy orinasa samihafa, toy ny groupe Andriantso­tahiana. “Natokana ho amin’ny fanofanana ireo vehivavy sy renim-pianakaviana […]

Ho mariky ny fanohanana ireo marefo: nanome jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro Rajoelina Mialy

Mariky ny fijoroan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika manohana hatrany ireo vehivavy ianjadian’ny herisetra ary mampirisika azy ireo hioitra sy hanarin-tena, ny hetsika natao omaly. Lohahevitry ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy ny hoe “mijoro sy manarin-tena rehefa avy niharan’ny herisetra”. Nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro […]

INDRAY MIJERY

Nanome vary ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny governemanta sinoa, ny faran’ny herinandro teo, Tany Toliara. Ahazoana manohana ara-tsakafo fianakaviana marefo maro mandritra ny telo volana ny fanampiana azo. Nanolotra vary ihany koa ny Koreanina Tatsimo, mba hahafahan’ny Pam ma­nohy ny asa ao […]

Ady amin’ny VIH/Sida : mila averina ny fanabeazana ara-pananahana eny an-tsekoly

Mihatanora ireo olona mi­ton­dra ny tsimokaretina VIH/ Sida amin’izao fotoana. Nivoi­tra izany nandritra ny fifampizarana nataon’ireo mpiantsehatra, omaly, ary nohamafisin’ny ONG Réseau Mad Aids. Tokony haverina ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora any an-tsekoly ha­mantarany ny fiarovan-tena sy ny tokony hataony manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina VIH/Sida. Mila omena fahalalana amin’ny […]