Nahatsiaro manokana ireo sokajin’olona marefo sady manana fahasembanana miisa 75 ny Groupe Axian, ny faran’ny herinandro teo, ka nizara bodofotsy mafana sy vary hiatrehana ny ririnina sy ny fetin’ny faran’ny taona. Fianakaviana misitraka tohana isam-bolana, nandritra ny 7 taona, efa karakarain’ny Axian ihany ireto olona manana fahasembanana ireto saingy noho […]
Fiaraha-monina
Fampianarana: miverina ny sekoly miangatra, hoy i Lanto Ratsida
Miorina isaky ny elakelantrano ny sekoly tsy miankina. Ihazakazahan’ny ray aman-dreny izy ireny. Maneho ny fahamaivanan’ny sekolim-panjakana sy ny tsy fahampiany izany. Lavitra ny elanelana misy. Miverina ny sekoly miangatra raha ny fanehoan-kevitry ny tompon’andraikitry ny observatoire de la jeunesse, Lanto Ratsida. Niova endrika anefa izany akehitriny satria tsy ny […]
Fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa: Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny ESIA
«Nifindra toerana eny Ambohidroa, Andranomena ny Ivontoerana mikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa ESIA, hahafahana manatratra ny tanjona hanakaiky kokoa ny mpikambana ka tsy hanahirana ny mpiasa ao amin’ny orinasa ny hanatona ny fitsaboana», hoy ny mpitsabo mpandrindra ny ivontoerana, Rabetsoa Eddy, omaly. Eo koa ny fanatsarana, hanomezana tolotra mifanandrify amin’ny filan’ny […]
INDRAY MIJERY
Araka ny didim-pitondrana laharana faha-195/mid/pref.pol.tana/osp.26 navoakan’ny prefektioran’ny polisy Antananarivo, ny 12 jona 2026, dia voarara tanteraka ny fampiasana tsipoapoaka sy « laser » rehetra. Toy izany koa, ny fanaovana na filalaovana fitaovana hafa mitovy endrika amin’ireo, indrindra eny Ivato izay manelingelina ireo mpanamory fiaramanidina. Ny fandikana ny fepetra voalazan’ity didim-pitondrana […]
Madagascar National Parks : Hamaritra lova ho an’ny taranaka ny 35 taona hoavy
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Ankorondrano, ny fankalazana manetriketrika ny faha-35 taonan’ny Madagacar National Parks (MNP) izay notronin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mamitiana…. “Fanorenana ny 35 taona lasa, famaritana ny lova ho an’ ny taranaka kosa ny 35 taona manaraka manomboka eto”, hoy ny tale jeneralin’ny MNP, Rakotoarisoa Ony. […]




