Fiaraha-monina

Fikarakarana ny zaza madinika : Nivoatra rehefa nijoro ny toeram-pilalaovana ao Sevohipoty

Tsy manana toerana hialana voly ny zaza ao amin’ny faritra Androy. Variana amin’ny asa fivelomana andavanandro ny reny ka tsy afaka mampilalao na manambitamby ny kilonga. Manoloana izany, najoro ny toerana fampilalaovana sy PNNC hanampy azy ireny. Manana toerana fampilalaovana zaza miisa dimy ny distrikan’­ Ambovombe. Matetika napetraka manakaiky ny […]

Podium tetsy Mahamasina: vahiny manokana ireo mpanakanto avy any Rosia

Nanehoana kolontsaina marolafy ny tetsy amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, omaly. Nanaitra ny rehetra ny fandraisana anjaran’ireo vahiny rosianina. Ny gadona efa fandre ihany, fa ny feony kosa dia vaovao tanteraka… Na izany aza, nitondra hafaliana ho an’ireo izay nanatrika ny « Podium » lehibe tetsy Ma­hamasina, omaly tolakandro, ireo mpanakanto avy any Rosia. […]

JME Atsinanana: zana-kazo 2 000 nambolena

Niaraka nankalazaina ny 23 jona teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana (JME) sy ny Andro fiarovana ny zavamananaina hiadiana amin’ny fahangazan’ny tany, ho an’ny faritra Atsinanana. Tany Ambodiriana, distrika Toamasina II no nanatanterahina ny fotoana, ao anatin’ny Faritra arovana Betampona. Miisa 2 000 ny zana-kininina nambolena any an-toerana. Nankahery […]

Fampianarana ambaratonga ambony: « Tokony homena toerana 500 isa isan-taona»

Nanatontosa filankevitra nasionaly ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpa­m­pianatra tamin’ity herinandro ity, tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra. Anisan’ny nodinihina ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Mahave­lombolo, hoy ny fanambarana nataon’ny biraon’ny Seces nasionaly, ny fanekena ny lalàna, didim-pitondrana ary didim-panjakana momba ny fampianarana am­bony sy ny fikarohana. Mbola betsaka […]

Fanatsarana ny fandriampahalemana: 52 tapitrisa dolara lany tao anatin’ny 10 taona

Feno 10 taona ny Tahirin’ny Firenena mikambana ho an’ny fanamafisana ny fandriampahalemana eto Madagasikara (PBF). Fiaraha-miasan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana maromaro (Pnud, OIM, Unicef, Unesco) izy ity. 10 taona niantsehatra tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy sy amin’ny faritra hafa ny PBF. Voakasika manokana ny lohahevitra dina, tsy fandriampahalemana, tanora ary ny […]