Ity taona 2023 ity no manamarika ny 18 taona nisian’ny fiangonana Rhefi eto amin’ny Nosy, izay ao Androndrakely no misy ny foibeny. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra eo anivon’ity trano fivavahana ity, ny sabotsy teo, somary hiavaka ny fankalazana izany vaninandro izany, satria hanatontosa fotoam-pivavahana lehibe ao amin’ny Coliseum Antsonjombe […]
Fiaraha-monina
Fitsaboana nentim-paharazana : “Manana etika sy deontolojia…”, hoy i Jean Nirina R.
Tsy afaka mitsabo ny olona iray raha tsy manana ny taratasy fanamarinana avy amin’ny fikambanana misehatra amin’ny fitsaboana nentim-paharazana satria misy ny etika sy deontolojia, raha ny fanazavan’i Jean Nirina Rafanomezantsoa Nandray hatrany ireo mpianatra avy amin’ny oniversite (fanjakana na tsy miankina) nangataka fizarana asa sy fampiofanana arakasa toy ny […]
Taorian’ny fandalovan’i Freddy : notohanana ireo mpampianatra Fram ao Mananjary
Nanolotra fanampiana vary 25 kg isan’olona ho an’ ireo mpampianatra Fram 36 ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, tany Mananjary, ny faran’ny herinandro teo hanohanana azy ireo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Nanome vola mitentina 400.000 Ar koa ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny tapany Atsimo, Rabemananjara Nicolas. Notontosaina […]
Takaitran’i Freddy : 116 701 ireo traboina
Fito ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC ny faran’ny herinandro teo. Tafakatra 116 701 ny olona traboina avy amin’ny fianakaviana 27 692 tamin’ny faritra fito voakasika Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana , Atsinanana , Matsiatra Ambony , Menabe sy Amoron’i Mania. Olona 48 […]
Covid-19 : nandavo olona iray, 13 ny tranga vaovao
Namoizana aina iray indray ny valanaretina Covid-19 ny herinandron’ny 18 ka hatramin’ny 24 febroary lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka. Rehefa nivaly ny fitiliana 320 natao, 13 ny tranga vaovao ka 10 ny marary hatramin’ny 24 febroary lasa teo ary iray ao anatin’izay misedra tranga misy […]