Nandray fepetra hiarovana ny ain’ny mpianatra madinika ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy ny minisitera mpiahy ny fanabeazana. Tokony hanara-baovao hatrany ny ray aman-dreny. Nampahafantatra ny Cisco Antananarivo Renivohitra, omaly, fa miato ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ho an’ny akany fibeazana sy ny sekoly ambaratonga fototra rehetra. Na miankina amin’ny fanjakana […]
Fiaraha-monina
Alahadin’ny tenin’Andriamanitra Iainana fa tsy vakiana fotsiny ny soratra masina
Alahadin’ny tenin’Andriamanitra! “Tsy vakiana fotsiny ny tenin’Andriamanitra fa iainana” hoy i Masera Seheno, tompon’andraikitra eo anivon’ny librairie Md Paoly. Nankalaza ny andron’ny tenin’Andriamanitra ny fiangonana Katolika ny asabotsy teo. Natao teny Analakely izany ka nampisehoana hetsika maro. Anton’ny hetsika ny hanampiana ny olona mba hiomana sy hiaina tsara kokoa ny […]
Mitohy ny andro ratsy : hikija ny orana, hiakatra ny renirano
Mbola mitohy ny andro ratsy hatramin’ny alakamisy. Misy ny fikorontanana noho ny rivotra mafy mahatratra 55km/ ora, arahina tafiotra 65 km/ora. Misy izany ny any avaratra andrefana, afovoany andrefana ary atsimo atsinanan’ny Nosy hatry ny omaly. Hiteraka fanelingelenan’ny fahitana sy fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomasina izany. Voakasik’ izany ny eo anelanelan’Analalava sy Morondava […]
Taom-baovao sinoa: niditra amin’ny taonan’ny bitro
Nankalazaina omaly ny taom-baovaon’ny sinoa. Nifarana ny taonan’ny tigra. Miditra amin’ny taonan’ny bitro ny taona vaovao 2023 ho azy ireo. Nomarihan’ ireo teratany sinoa mipetraka eto Madagasikara, mpampianatra sy mpianatra mandalina ny teny sy ny kolontsaina sinoa ny fitsenana izany, ny Asabotsy lasa teo. Notanterahana teny amin’ny kianja manoloana ny […]
COVID-19 : marary iray namoy ny ainy
Tao anatin’ny herinandron’ny 14 ka hatramin’ny 20 janoary, namoizana ain’olona iray indray ny valan’aretina covid-19, teto Madagasikara. Nivoitra avy amin’ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka izany. Mbola misy olona dimy hafa koa marary mafy, arahi-maso akaiky ny fahasalamany. 29 ny tranga vaovao tao anatin’ ny herinandro. Olona 321 nanaovana fitiliana, voaporofo […]