Fiaraha-monina

Skoty –Andron’ny mpanorina : mpamonjy voina 120 nahazo mari-pankasitrahana

22 febroary. Ahatsiaro­vana ny andron’ny fieritreretana sy andron’ny mpanorina ny skotisma maneran-tany. Fantatra amin’ny anarana hoe: “Baden Powel”. Natao teny Analakely izany, omaly maraina. Niavaka ny hetsika tamin’ity taona ity. Satria namoahana sy nanolorana mari-pankasitrahana tamin’ny fomba ofisialy ireo vondron’ny mpamonjy voina eto Analamanga afovoany. Miisa 120 mianadahy izy ireo. […]

Talata matavy : nomarihin’ny sekoly tamin’ny fanaovana diabe

Nankalaza ny talata matavy ny sekoly maro teto An­tananarivo, afakomaly. Na­seho tamin’ny alalan’ny hetsika maro samihafa izany. Nanaovana diabe manerana ny tanàna ho an’ny sekoly Les Petits Lauréats etsy Ambodiafontsy Ampitatafika. Nandraisan’ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra an­jara. “Ny tontolon’ny asa” ny lohahevitry ny hetsika ho azy ireo. Nanao fanamiana […]

Dren Analamanga: miverina manomboka anio ny fampianarana

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly, foana ny filazana mi­loko maitso ho an’ny faritra Analamanga. Noho izany, miverina ny fampianarana anio sy rahampitso ho an’ny ambaratonga rehetra manomboka amin’ny garabola ka ha­tramin’ny kilasy famaranana. Voakasika avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana […]

Andron’ny skoto : navitrika tamin’ny fanomezan-dra ireo tanora

Nomarihina tamin’ny alalan’ny fanomezan-dra ny an­dron’ny skoto, omaly. Tonga maro ireo skoto nanome ra an-tsitrapo teny amin’ny HJRA. Mariky ny fiombonan’aina amin’ireo olona mila ra ary fanavotana ny ain’ny mpiray tanindrazana rahateo no natao. Nifanojo tamin’ny fahatongavan’ny rivodoza Freddy ihany koa ny andron’ny skoto omaly. Naneho fahavononana amin’ny fifanomezan-tanana ho […]

Fitantanana ny fako: miara-miasa ny CUA sy ny Jica

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny tetikasa fitantanana ny fako eto an-dRenivohitra (GESDA), izay iarahana amin’i Japon ho fanampiana ny kaominina sy ny SMA amin’ny fako eto Antananarivo. Misokajy roa ny tetikasa dia ny fanomezana fitaovana hampiasain’ny SMA sy ny fifanakalozana traikefa iarahana amin’ireo manam-pahaizana avy any Japon. Miken­dry ny […]