Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Ho mafy hatrany ny tsiokan’ny alizay ato anatin’ny telo andro manaraka. Tombanana hisy alondrano avy atsimo na atsimo atsinanana any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana sy avaratra atsinanana, ka hahery ny ranomasina eo anelanelan’ny tanjona Angotsy sy Mahanoro, hatrany amin’ ny tanjona Bobaomby. Nanomboka omaly hatramin’ny alakamisy ho avy izao ny […]

Governemanta amerikanina : hiady amin’ny fanondranana bibidia

Vonona ny hiady amin’ny fanondranana bibidia antsokosoko sy ny kolikoly ny fitondram-panjakana amerikanina. Fantatra izany nandritra ny fihaonambe nasionaly faharoa ho an’ny ady amin’ny fanondranana bibidia, natao teto Antananarivo, ny 13-14 aogositra 2024 teo. Tamin’ny alalan’ny tetikasa USAID Mizana sy Countering Corruption and Wildlife Trafficking (CCWT). “Miara-mamorona hoavy maharitra ho […]

ARETINA nendran-gidro: mihatra ny fisorohana ara-pahasalamana eto amintsika

Firenena dimy aty Afrika no efa ahitana ny nendran-gidro amin’izao fotoana izao, tsy mbola misy tranga eto Madagasikara. Efa miomana amin’ny fisorohana ny tomponandraikitra. “Efa manana paikady fisorohana sy fanakanana ny fidiran’ny nendran-gidro eto Madagasi­kara ny fanjakana nanomboka ny taona 2022 ka mampihatra ny fepetra amin’izao fotoana izao”, hoy ny […]

Ramilijaona Andry, Talen’ny Smev: “Tsy azo anaovana fifampiraharahana ny ain’ny mpandeha”

Sampandraharaha iray eo anivon’ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra ny Smev (Société municipale d’entretien du véhicule) na ilay Omavet taloha. Etsy amin’ny Mikoja Nanisana no misy azy. Araka ny nambaran’ny Tale jeneraliny, Ramilijaona Andry, misahana ny “visite de conformité” an’ireo fiara fitateram-bahoaka eto an-dRenivohitra no asan’ izy ireo. Mampiasa ireo fitaovana manara-penitra […]

Fiforonana andro ratsy: ahina ho lasa rivodoza, hitondra ny anarana Ancha

Ahitana andro ratsy miforona ao amin’ny ranomasimbe Indianina, nanomboka ny 15 aogositra lasa teo, araka ny fampahafantarana navoakan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro eto Madagasikara, omaly. Tsy ahina hanakorontana ny toetry ny andro eto amin’ny Nosy anefa izany, raha ny vaovao voaray hatrany. Mety ho lasa rivodoza kosa izy io, anio, […]