Mavesatra ny fahasimbana nateraky ny rivodoza Freddy, namoizana aina rahateo, tany Mahanoro sy Ambalavao. Maro ny trano tsy nisy tafo intsony… Omaly maraina, efatra ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Iray nandeha lakana ka lasan’ ny rano tany Mahanoro, fokontany Ampapanambo, ny talata hariva, ny telo […]
Fiaraha-monina
Telma – Teknisianina 35 isa : mitandro ny fifandraisana tsy ho tapaka
Manoloana ny fandalovan’ ny rivodoza Freddy eto Madagasikara, mahatratra 35 ireo teknisianina sy mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Telma, miparitaka manerana ny Nosy. Toy ny eto Antananarivo, Ankazobe, Analavory, Ambatolampy, Ambositra, Belo Tsiribihina, Miandrivazo, Vatomandry, Mahanoro… Mba hitandroana ny mety ho fahatapahan’ny fifandraisana manerana ny Nosy. Manohana tsy tapaka ny vahoaka […]
Oniversite rehetra : voarara ny “Bizutage”
Namoaka fanambarana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika fa voarara manomboka izao ny fanaovana “bizutage”. Toy izany koa ny hetsika rehetra fanaon’ny mpianatra tranainy handraisana ireo mpianatra vaovao manerana ny oniversite sy IST rehetra miankina amin’ny fanjakana. Toraka izany ny karazana fifaninanana rehetra ara-kolotoraly na ara-panatanjahantena mety hiteraka […]
Sekoly mampiantrano: mila manaja ny fotodrafitrasa ireo traboina
Marobe ireo sekoly mampiantrano ireo olona traboina rehefa fotoanan’ny rivodoza toy izao. Nanentana ny minisiteran’ny Fanaberazam-pirenena fa tokony hanaja ny fotodrafitrasa ireo olona traboina raisina amin’ireny sekoly ireny mba tsy hisian’ny fahasimbana. Mila hajaina sy arovana ny fitaovana toy ny boky sy ny dabilio satria mbola hianaran’ny mpianatra izy ireny […]
Hatambatra ny fotodrafitrasa : hiara-hiasa ny INTH sy LTA
Tafiditra anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail” (JMCT) ny fiaraha-miasa ho an’ny sekoly teknika iompanan’ny fanohanana. Nanomboka omaly, “hifanampy ny sekoly ambony INTH sy ny Lycée teknika Ampefiloha (LTA) amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana ananan’ny roa tonta : laboratoara, efitrano fianarana”, hoy ny tale mpandrindra ny JMCT […]