Fiaraha-monina

Rivodoza Freddy: nihena ny heriny fa mbola 155 km isan’ora ny rivotra entiny

Omaly tamin’ny 3 ora teo, tany amin’ny 140 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Mananjary no nisy ny foiben’i Freddy. Nisy fihenana hatrany ny heriny fa mbola rivodoza mahery izy. Taorian’ny fidirany an-tanety, hamakivaky ny afovoan-tany izy halina ary tombanana hi­voaka any amin’ny Lakan­dranon’i Mozambika ao amin’ ny faritra Atsimo Andrefana, […]

Unicef : nanolotra fitaovana ho an’ny BNGRC

Nanolotra « drones » telo miaraka amin’ny kojakoja samihafa, ordinatera efa misy « logiciel » azo kirakiraina mifanaraka aminy, mitentina 40 000 dolara ho an’ny BNGRC ny Unicef, omaly. Nisolontena ny Unicef ny tomponandraikitra lefitry ny fandaharanasa, Gilles Che­valier. Ilaina amin’ny fanombanana ireo zavatra simba aorian’ny fandalovan’ny rivodoza ireo fitaovana ireo hanamorana ny fitondrana tohana […]

Mpitondra tenin’ny tanora : voafantina Andriantsimba Hajaniaina Lucas

Anisan’ny tanora men­drika ka voafantina ho isan’ ireo mpitondra tenin’ny tanora maneran-tany Andriantsimba Hajaniaina Lucas. Nandalo dingana maro ny fifantenana izay nokarakarain’ny OMLMS. Marobe ireo mpifaninana ta­mina firenena marobe maneran-tany ka anisan’ny sangany ny kandida avy amin’ny Tily eto Madagasikara. Tanora an-jatony, araka izany, ireo nifanintsana sy nanolotra ny fila­tsahany […]

Rivodoza Freddy : Tombanana hivoaka an-drano­masina rahampitso

Hiditra an-tanety rahalina eo anelanelan’i Mahanoro sy Manakara ilay rivodoza ma­hery vaika Freddy. Tombanana ho 200 km isan’ora ny rivotra hiaraka aminy ary harahina tafiotra manodidina ny 280 km isan’ora. Handrafitra ny toetry ny andro hatramin’ny rahampitso i Freddy. Omaly tamin’ny 3 ora, tany amin’ny 963 km atsinanana somary avaratra […]

Tetikasa JMCT : tanora 33 niofana momba ny BTP

Ankoatra ny fampiarahana ny asa sy ny fianarana (ATE) any an-dakilasy anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy com­pétente au travail” (JMCT), manofana tanora efa niala an-daharana tany am-pianarana ny tetikasa. Fiofanana teknika mandritra ny roa volana ary afaka misehatra amin’ny asa avy hatrany no natolotra. 33 ireo niofana tamin’ny andiany voalohany teo […]