Miditra amin’ny andiany fahatelo ny Paikady fampandrosoana eny ifotony anivon’ny kaominina, izay tafiditra anatin’ny fanohanana sy famatsiam-bola ataon’ny vahoaka amerikanina, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID). Ny Pnud eto Madagasikara no manatanteraka izany amin’ny tetikasa Rindra hifarana amin’ny taona 2026. Faritra dimy no hiasany, amin’ny kaominina miisa 100, […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Ny taona 2018 sy 2020 no tena nahitana fahamaizana ala be indrindra teto Madagasikara, nahatratra 107 000 ha.Vinavinaina tsy ho lavitra io tarehimarika io ny mety hisy eto amintsika amin’ity taona ity, raha tsy misy ny fitandremana sy ny fepetra mifanaraka amin’zay. Manodidina ny 450 tapitrisa dolara isan-taona ny tomban’ny […]
Toetr’andro miovaova : mahazo vahana ny gripa mahery
Efa miditra tsikelikely amin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasikara amin’izao fotoana. Na izany aza, mbola mifandimby hatrany ny hatsiaka sy ny hafanana, raha ny zava-misy. “Miteraka aretina eo amin’ny vatan’ny olombelona, indrindra ho an’ny marefo izany zava-misy izany”, hoy ny Dr Rakotonindrainy Norbert, mpitsabo etsy 67 ha. Anisan’ny tena mirongatra […]
Fanampiana ny maha olona: tanjona ny hamonjy sy hiaro aina mandritra ny hamehana
Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanampiana ny maha olona ny 19 aogositra, hanomezan-danja ireo mpisehatra eny ifotony mitondra izany fanampiana izany ho an’ny vondron’olona marefo rehefa ao anatin’ny hamehana. Firenena fahafolo maneran-tany misedra ny vokatry ny rivodoza, isan-taona, i Madagasikara ary voalohany aty Afrika. Manana rafitra napetraka ny fanjakana eto Madagasikara […]
“YALI Mandela Washington Fellowship”: vatsim-pianarana ho an’ny tanora aty Afrika
Nisokatra nanomboka omaly ny fisoratana anarana hahazoana vatsim-piofanana “Yali Mandela Washington Fellowship 2025”. Fandaharanasa napetraky ny governemanta amerikanina, hanohanana ny tanora afrikanina mpitarika. Tiliana amin’izany ny tanora mpitarika 25 hatramin’ny 35 taona izay mampiseho fahaiza-mitarika sy fahafoizan-tena ho fampandrosoana. Hifantina tanora mpitarika 700 isa aty amin’ny faritr’i Afrika Atsimon’i Sahara […]





