Fiaraha-monina

Antsirabe: hanao ny asan’ny mpamonjy voina ny “5UPC”

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny “35° Unité de Protection Civile” na ny “5UPC » ao Antsirabe ny 30 janoary teo. Notanterahina niaraka tamin’izany koa, ny lanonana fandraisana fibaikoana ho an’ny Ko­mandin’ity holafy vaovao ity, ny Kapiteny Raharimanitra Sitraka. Nisitraka fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka Frantsay ny tananàn’Antsirabe ka nahafahana nanangana ny 5UPC. […]

Jean Nirina Rafanomezantsoa: “Ny politika tsy teoria fa tsy maintsy misy hiankinany”

“Mankasitraka ny kaba­rin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tany Vatomandry aho. Ny fanaovana politika dia tsy teoria fotsiny fa tsy ma­i­ntsy misy hiankinany amin’ny zava-misy ankehitriny. Lehibe ilay fanapahan-kevitra hitodika any amin’ny sosialim-bahoaka”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Niri­na, manoloana ny fahitany ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky ny […]

Holafitry ny vadintany : sahirana amin’ny fanatanterahana didy ny vadintany

“Sarotra ho an’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty raha iny taona 2022 iny satria sarotra ny fanatanterahana ny didim-pitsarana”, hoy ny filohan’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty, ny Me Rakotonirina Alain. Nohamafisiny fa olana ara-drafitra no mila jerena satria raha ny za­vatra tsikaritra, lasa mihaino ny […]

Fahatapahan’ny fampianarana : maro ireo sekoly manarina ny fotoana very

Vokatry ny andro ratsy nisesy nandritra ny roa herinandro teo, izay niteraka fahatapahan’ny fianarana teto an-dRenivohitra, maromaro ireo sekoly nanapa-kevitra ny hanenjika ny fahabangana ka hamerina an-tsekoly ny mpianatra ny alarobia hariva sy ny asabotsy amin’ity herinandro ity. Omaly, nampahafantatra ny ray aman-dreny sy ny mpianatra ireo sekoly ireo ny […]