Vinavinaina hanatombo kokoa noho ny tokony ho izy ny rotsak’orana ho azo mandritra ity volana janoary ity ho an’ny faritra Diana, Sava (tapany Avaratra), Sofia (tapany Andrefana), Boeny ary Melaky. Araka ny nambaran’ny gazety isam-bolana momba ny toetr’andro sy ny fambolena nivoaka ny fiandohan’ny herinandro teo, novokarin’ny sampanasa misahana ny […]
Fiaraha-monina
Ialana amin’ny tokantrano imaso: mampanao mariazy faobe ny miaramila
Nisora-panambadiana, nandritra ny mariazy faobe natao teny Ivato, ny miaramila 24 tao amin’ny PARA, omaly. Tanjona ny mba hialana amin’ny tokantrano imaso sy fidirana amin’ny ara-dalàna . Notanterahina teny amin’ny Toby Jeneraly Ismael Mounibou, 1er Bataillon Parachutiste, Ivato omaly, ny fisoratam-panambadiana faobe ho an’ireo miaramila tsy mbola nahavita izany tao […]
Toetry ny andro : hahazo orana betsaka any Atsimo Andrefana
Momba ny vinan’ny toetry ny andro ho an’ny telo andro manaraka, ho betsaka ny orana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana anio. Handrahona kosa ho an’ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Itasy sy ny tapany atsinanan’i Vakinankaratra sy Amron’i Mania ary Matsiatra Ambony. Hisy orana mitsotokotoko ny faritra sisa […]
Taona 2022 : nihena 1 tapitrisa ny trangan’aretina tazomoka
Nanodidina ny 2.400.000 ireo trangan’aretina tazomoka hita ny taona 2021. Nihena hatramin’ny 1.400.000 teo ho eo izany ny taona 2022. Io no tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mikasika ny aretina tazomoka, omaly. Maro ny ezaka natao nahazoana ny vokatra. Tao ny fizarana lay misy odimoka maharitra (Mid) tamin’ireo distrika 101 manerana […]
Fihotsahan’ny tany: tokony hahatsapa tena ny mponina
Taorian’ny fametrahana saina mena 400 teny amin’ireo fokontany 15 voakasiky ny mety ho fihotsahan’ny tany na vato eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana sy ny manodidina (eto Antananarivo) .Izay natao ho fampatsiahivana ny mponina fa misy ny tandindon-doza, manara-maso ny fivoaran’ny zava-misy eny an-toerana ny teknisianina. Ny rano mitsika any ambanin’ny tany eny […]