Fiaraha-monina

20 taona ny Institut de la vision Madagascar : hanitatra ny asam-pitsaboana sy hanofana mpitsabo maso

15 000 ny olona tratran’ny katarakta eto amintsika, 1% ny tahan’ny fahajambana ka ny 50% amin’ireo vokatry ny aretina katarakta tsy voadidy avokoa. Tsy mbola ampy ny Malagasy mpitsabo sy mpandidy maso ka izay no antom-pisian’ny Institut de la Vision Madagascar. 20 taona nitsaboana sy nandidiana maso ny Institut de […]

INDRAY MIJERY

Ahitana fidinana ny tahan’ny fahalotoan’ny rivotra eto Antananarivo. Manodidina ny fetran’ny OMS avokoa ny refy rehetra voaray, araka ny tatitra navokan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, nanomboka ny 11- 17 jona lasa teo. Ao anatin’ny telo andro ho avy, vinavinaina hijanona ho antonony izany amin’ny ankapobeny. Mbola hijanona hafanafana […]

“Foarabe fampivoarana” : ny 16 hatramin’ny 21 jolay etsy Mahamasina

Hotanterahina ny 16 hatramin’ny 21 jolay ho avy izao etsy amin’ny kianja Barea ny “Foarabe fampivoarana”. Hetsika karakarain’ny sampana fitantanam-piainana krisitianina (Fipikri) eo anivon’ny federasiona advantista Ma­dagasikara Afovoany (FMC). «Tanjona ny hampivoatra ny farim-piainan’ny mpandraharaha rehetra amin’ny alalan’ny hetsika», hoy ny filohan’ny FMC, Andriamparatiana Fa­nera, nandritra ny fampahafantarana izany tetsy […]

Fiarovana ny tontolo iainana : hiara-hiasa ny PAM sy ny minisitera

Ho fanampiana ny vondron’olona marefo hiarina aorian’ny loza voajanahary, hiara-hiasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Natao tany Toliara ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta. Hiompana manokana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy hetsika mifandraika amin’izay no […]

Fampandrosoana ny maha olona : firenena miarina i Madagasikara nanomboka ny taona 2022

Miharihary ny tsy fitoviana eo amin’ny firenena mandroso sy ireo mbola an-dalam-pandrosoana ho an’ny fampandrosoana ny maha olona, araka ny tatitry ny Fandraharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) ho an’ny taona 2023-2024, omaly teny Ankorondrano. Amin’ny firenena 35 an­dalam-pandrosoana, 18 amin’ireo tsy mbola nahatratra ny tahan’ny fandrosoana ny maha […]