Fiaraha-monina

Andro mangatsiaka : mirongatra ny gripa sy ny aretin-koditra

Tapitra ny fahavaratra sy ny vanim-potoana mafana. Miditra tsikelikely ao anatin’ny vaninandro ririnina ny eto Madagasi­kara ankehitriny. Misy fiantraikany eo amin’ny toe-pahasalaman’ny olona izay fiovana izay ka miteraka aretina. Matetika mahazo ny ankamaroan’ny olona ny aretin’ny taovam-pisefoana. Manomboka eo amin’ny gripa, aretin-tenda, sery, lalan-drivotra, “bronchite”, hatrany amin’ny “alveole”, ny “pneumonie” […]

Mpiadina CEPE : azo alaina eny amin’ny Cisco Antananarivo ny taratasy fiantsoana

Nanamafy ny lehiben’ny Cisco Antananarivo Renivohitra fa tsy tokony hatao sorona ny mpiadina amin’ny fanadinana CEPE. Ilaina ny fifampiresahan’ny ray aman-dreny sy ny sekoly raha misy ny olana momba ny saram-pianarana. Efa voazara avokoa ny taratasy fiantsoana ny mpiadina ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE ho­tontosaina manerany ny Nosy, rahampitso tontolo andro. […]

INDRAY MIJERY

Naharitra 1 taona sy 8 volana ny fandaharanasa MTaPS izay iarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID. Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 13 jona 2024 teo izany. Nahomby ny vokatra ary hanome lanja kokoa ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka. Nisy ny fanomezana fitaovana informatika ho an’ny minisitera, izay ny DPLMT […]

WMG sy Inner Wheel : vehivavy 20 notolorana mari-pankasitrahana

Nanolotra mari-pankasitrahana ireo vehivavy niofana momba ny zaitra ny avy amin’ny Inner Wheel sy ny Wed­nesdat morning group (WMG). Natao tetsy Ankorondrano ny hetsika, omaly. Nisitraka izany ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana miisa 20 avy eto Antananarivo. Niofana nandritra ny telo volana izy ireo. “Tanjon’ny fampiofanana ny hanampiana ny vehivavy tena […]

Tily eto Madagadikara : manao fivoriambe iraisam-pirenena CPGS

Nanatanteraka fivoriambe iraisam-pirenena, CPGS, andiany fahadimy, etsy Antaninarenina ny skoto avy amin’ny fiangonana Protestanta. Mandritra ny telo andro, nanomboka omaly ary hifarana rahampitso izany. Sehatra hifampizarana hevitra sy ahafahana manatanteraka hetsika ara-panahy eo anivon’ny skotisma ny fihaonana. « Fotoana hanaovana tombana ny asa vita nandrita ny fe-potoana teo aloha ary handrafetana […]