Fiaraha-monina

Asa fanaovan-gazety: nodimandry i Marc Razafimaharo

Nampahafantatra ny fianakaviany fa nodimandry, omaly, Razafimaharo Marc Rivoson. Mpanao gazety, mpanolotra vaovao nandritra ny taona maro tao amin’ny Radiom-pirenena Malagasy (RNM) izy. Ny fanolorana ny vaovao amin’ny 12 ora sy sasany atoandro no tena nahatsiarovan’ny maro azy. Nialoha izay, efa niasa tao amin’ny gazety Atrika izy. Anisan’ireo niara-niasa tamin-dry […]

Mirongatra ny valanaretina: hentitra ny fanajana fepetra any amin’ny hopitaly

Olona tokana ihany no afaka miandry marary eny amin’ny hopitaly, voafetra ny isan’ny mpamangy… Tsy maintsy mipetaka ny arovava orona. Hentitra ny fanajana ny fepetra rehetra hisorohana ny fifindran’ny valan’aretina amin’ny marary sy ny manodidina. Nohamafisina ny fifampifehezana napetraka eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana mikarakara marary. Nohavaozina ny peta-drindrina mampilaza […]

Tatitry ny HJRA: roa ny maty, 46 niditra hopitaly   

Miisa  2 ireo olona  maty  nandritra ny  fankalazana ny  fetin’ny Krismasy teo, raha ny tatitra nataon’ny  eo anivon’ny  hopitaly HJRA.  Miisa 46  ireo niditra hopitaly.  Nahatratra 223 ireo tonga nizaha fahasalamana teny an-toerana, hoy Rafilipison Nathalie, lehiben’ny  sampana serasera eo anivon’ny  HJRA.  Nahitana olona narary avokoa ny sampana vonjy taitra […]

MATSF-MTP: fokontany maitso efatra mendrika

Nanatanteraka fifaninanana mikasika ny fokontany maitso ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany niaraka tamin’ny minisiteran’ny Asa vaventy nanomboka ny volana aogositra teo. Fokontany efatra tamin’ireo 11 nandray anjara no hita nisongadina ka nomena  mari-pankasitrahana, omaly. Anisan’izany ny fokontanin’Amoronankona, Soamanandrariny, Amboditsiry ary Ambohimahitsy. Tanjona ny hanaovan’izy ireo ezaka amin’ny […]

CUA-Fiadidiana ny Repoblika: malalaka ny fivarotana hatramin’ny 1 janoary

Nanapa-kevitra ny fiadidiana ny Repoblika sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa afaka mivarotra malalaka ireo mpivarotra ao anatin’izao andro fety izao. Voafetra hatramin’ny voalohan’ny volana janoary anefa izany fahalalana izany ho famerenana hatrany ny lamin’ny tanàna. Noraisina ny fanapahan-kevitra ho fitsinjovana manokana ireo mpivarotra amin’izao fetin’ny faran’ny taona maha betsaka […]