Nidina teny amin’ny fokontany IIIG Hangar ny solombavambahoaka, voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany, Dimbindraibe Ratafika, ny faran’ny herinandro teo, nijery akaiky ny fiainam-bahoaka eny an-toerana. Tsikaritra tamin’izany fa maizina ny tanàna ka nitondra fahazavana tamin’ireo elakela-trano izay tena fandehanan’ny mponina ny tenany. Anjakan’ny tsy fandriampahalemana, noho izany haizina izany teny […]
Fiaraha-monina
Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: nahazo fitaovana avy amin’ny masoivohon’i Frantsa
Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny masoivohon’i Frantsa, omaly. Notanterahina teny anivon’ny IFNP Mahamasina izany. Nahitana fitaovana maro toy ny valizy misy “tablette” 24, ordinatera, video-projecteur, fihainoana, clés USB ary indrindra “edbox” miisa 140. Hisitraka izany ny ivontoeram-panabeazana Lycée anatin’ny faritra 12 manerana ny Nosy raha ny fanazavan’ny […]
Fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo : nampitombo ny hantsana eo amin’ny sahirana sy ny manan-katao
Nanomboka ny taona 1961 ka hatramin’ny 2020, nitombo 1,2°C ny maripana ankapobeny eto Antananarivo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Météo Malagasy ary nidina hatramin’ny 300 mm ny refin’ny rotsak’orana. Tsapa fa efa misy fiantraikany eto an-dRenivohitra ny fiovan’ny toetr’andro ary tsy voafehin’ny mponina. Nanontaniana ny fiovan’ny toetr’andro, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny […]
Covbid-19 : 63 ny tranga vaovao, iray maty
Nidina ny trangana Covid-19 tao anatin’ny roa herinandro satria 63 ny olona voatily fa nifindran’ny tsimokaretina, ny 10 ka hatramin’ny 16 desambra lasa teo, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 851 ny fitiliana vita nahazoana io antontanisa io. 200 ny marary hatramin’ny 16 desambra lasa teo, iray ny tranga […]
Noelin’ny firaisankina : hizaran’ny Orange Solidarité sakafo sy kilalao ny fianakaviana 2300
Hetsika fanaon’ny Orange Solidarité Madagascar ny mamalifaly sy mizara fanomezana sy sakafo ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana sahirana, rehefa fetin’ny Noely isan-taona. Teny amin’ny kianjan’ Alarobia no nanaovana ny hetsika ny faran’ny herinandro teo izay mbola hitohy amin’ny toerana maro manerana ny Nosy amin’ity herinandro ity. Mahatratra 2 300 ny […]