Anisan’ny manampy betsaka amin’ny famatsiana fanafody any amin’ireo toerana saro-dalana ny fampiasana drone. Hatramin’ny taona 2020, nahavita sidina 2.500 ireo drones amin’ny faritra efatra hampiasana izany. CSB miisa 88 no vatsiana fanafody amin’ny alalan’ireo drone. Ankoatra izany ny tobim-panafody madinika any anaty kaominina miisa 69 tena alavitra sy miampita rano […]
Fiaraha-monina
Tanora malagasy : mitondra fiovana sy vina vaovao
Nikarakara hetsika fampiofanana ho an’ny skoto ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena afak’omaly. Fampiofanana mikasika ny fahaizana miatrika fiainana na « lifeskills ». Notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina Mahamasina izany. Fanabeazana hahay hamboly kolontsaina sy vina vaovao anatin’ny tanora malagasy ny tanjon’ny hetsika. Tanora avokoa ny 65 % amin’ny mponina eto Madagasikara. […]
Fandaharanasa Fanarenana: nidina nanara-maso teny am-ponja ny masoivoho frantsay
Nanara-maso ny fizotran’ny fandaharanasa Fanarenana ny masoivoho frantsay sy ireo fikambanana miahy ny maha olona. Nidina teny amin’ny fonjan’Antanimora izy ireo. Notanterahana ny herinandro teo ny atrikasa andiany voalohany nandinihana ny tontolon’ny fonja eto Madagasikara. Nojerena niaraka tamin’izay ny fampivoarana ny fepetra fitanana sy fiahiana ny maha olona ao am-ponja, […]
In.S.P.N.Mad : mahasarika ny mpianatra ny « transit et douanes »
Tamin’ny taona 2010 no niforona ny lalam-piofanana « transit et douanes » teo anivon’ny In.S.P.N.Mad (Institut Supérieur Polytechnique des Novateurs de Madagascar). Etsy Ambaranjana Antananarivo no nanombohany, izay ankizy efa hatramin’ny 1500 no navoakany. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny In.S.P.N. Mad, Randrianarivelo Dieudonné, fa miroborobo ity lalam-piofanana ity ao aminy, satria dia […]
CUA – Boriborintany V : fotoana hamahana ny olan’ny mponina izao
Tonga nitsidika teny anivon’ny boriborintany fahadimy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Andriantsitohaina Naina, omaly. Nijery ny zava-misy sy ny olan’ny mponina teny an-toerana izy nandritra izany. Nandritra ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàna fa hiroso amin’ny asa izay laharam-pahamehana ho an’ny mponina izy. Fotoana amahany ireo olana rehetra mahazo ny […]