Fiaraha-monina

Digue Anosimpatrana : hisokatra ny sabotsy izao ny làlana

Nampitomboina ny fitaovana nampiasana hifehezana ny fiparitahan’ny fako eny Anosimpatrana. Mifarimbona ireo hery velona amin’ny fifanomezan-tanana rehetra. Andro aman’alina ny fanadiovana. Omaly, nodiovina tamin’ny rano ny arabe mba hahafahana manokatra ny lalana. Nanomboka omaly ihany dia niverina tamin’ny laoniny ny fifamoivoizana teny an-toerana. Marihina fa ho fanafainganana ny asa dia […]

Tetikasa Mionjo : nahazo fitaovana hanatsarana ny fanairana mialoha ny BNGRC

Hahomby kokoa ny fiomanana ny loza sy ny tandindon-doza satria nahazo fitaovana hampiasaina ireo mpisehatra eny ifotony avy amin’ny tetikasa « Mionjo ». Efa eo an-dalam-panamboarana rahateo ny Centre opérationnel lehibe ao Ampanihy. Maharitra efa-taona ny tetikasa «Mionjo», andiany voalohany, iarahan’ny minisiteran’ny Atitany, ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny […]

Ambilobe : amboarina amin’ny akora misy ny tranon-tantely

Nanomboka ny volana septambra 2023, nisitraka tan­tsoroka teknika ireo mpiompy tantely any amin’ny kaominina Ambatoben’Anjavy sy Bera­manja, distrikan’Ambilobe. Miara-dalana amin’izy ireo amin’izany ny mpiompy tan­tely efa nahazo traikefa ani­von’ny kaoperativa FAMA. Nohamafisina ny fomba fanamboarana tranon-tantely, amin’ny alalan’ny akora fototra hita any an-toerana, ny fomba fisarihana andian-tantely, ny fomba fiotazana […]

Toetr’andro : manambana ny fiforonan’ny rivodoza

Nilaza ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby, fa hisy fiforonana rivodoza any amin’ny sisiny atsinanan’ny fari-dranomasin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ity herinandro ity. Heverina tsy hahakasika an’i Mada­gasika anefa izany raha ny tombana. Tombanana ny hisian’ny fandalovana rindrin-drahona any amin’ny ilany atsimo atsinanana manomboka anio. Hitondra rotsakorana betsaka any […]

Valan-javaboahary Tsimbazaza : efa nivoaka ny volam-panjakana hanaovana ny fanarenana

Ho tsara karakara ireo biby ompiana ao amin’ny valan-javaboahary Tsimbazaza manomboka izao. Efa azo ampiasaina ny vola ho amin’izany. Tsy niandry ela fa avy hatrany! Natao izay ni­voahan’ny vola ho fikarakarana haingana ny valan-javaboahary Tsimbazaza. Tanjona ny famonjena ny ain’ ireo karazam-biby izay efa nijaly fatratra. Efa azo ampiasaina, araka […]