Nitondra fanazavana ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ny famandriham-piantsonana fiara manokana atao eny amoron-dalana. Mizara roa ny toeram-piantsonana voatokana ara-dalàna manerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ao ny « Sauf Pass » dia ao ny « Abo ». Mora fantarina ireo karazana toerana ireo noho izy voasoritra amin’ny loko mavo. Ahitana ny […]
Fiaraha-monina
Tafika an-dranomasina : hasongadina ny miralenta
Mandalo eto Madagasikara ny tonia mpanatanteraky ny Tafika an-dranomasina amerikanina miasa any Eoropa sy aty Afrika, Juliet Beyler. Hihaona sy hidinika amin’ireo Malagasy tomponandraikitra voakasiky ny filaminana an-dranomasina ny tenany. Hanehoana ny fifandraisana an-dranomasina matanjaka sy maharitra eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Hanasongadina indrindra ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa […]
Classe intégrée passerelle: mandray ireo manana fahasembanana
Anisan’ny asa nosahanin’ny mpiandraikitra ny tetikasa « Equal », tontosain’ny fikambanana Autisme Madagascar, ny adisisika atao eny anivon’ny minisitera maromaro: Fahasalamana, Fanabeazana…hanatsarana ny fisitrahan’ny olona manana fahasembanana fiahiana sosialy mifandraika amin’ny filàny. Miara-miasa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fikambanana amin’ny fanapariahana ny “classe integrée passerelle” amin’ny faritra maro eto amintsika. Fametrahana efitrano […]
Lycée teknika: nivoaka ny tetiandron’ny fanadinana
Nosantarina ny 22 janoary lasa teo ary hifarana ny 5 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny anivon’ny Lycée teknika na ivontoeram-panofanana teknika ho an’ny taom-pianarana 2024-2025, araka ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hotanterahina ny 20 sy 21 […]
Sambo “Merci Ships” : natsahatra ny fisoratana anarana
Natsahatra aloha ny fandraisana anaran’olona maniry hisitraka fitsaboana sy fandidiana ao amin’ny sambo lehibe “Merci Ships”, izay miantsona ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina efa hatramin’ny 1 febroary lasa teo. 12 andro aty aoriana, tsy misy ny fandraisana anaran’olona ary najanona ihany koa ireo efa natao nialoha ny volana oktobra 2023. […]




