Fiaraha-monina

Covid-19 : mila mailo hatrany amin’ny fifampiharabana

Fotoanan’ny fivorivoriana sy ny fitangoronana ny volana janoary, hifamotoanan’ny mpi­anakavy sy ny fikambanana manao fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Mila mailo hatrany anefa satria mbola miparitaka eny amin’ny fiarahamonina ny aretina Covid-19. Mila hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny aretina. Anisan’ny tena saropady ireo ankizy madinika sy ny […]

May ny Bloc 15, Cité Vontovorona: mpianatra 50 traboina tsy manan-kialofana

Nitady vahaolana haingana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho an’ireo mpianatra traboina eny Vontovorona. 50 ireo tsy manan-kialofana ary nomena toerana vonjimaika. Naniraka avy hatrany ny mpiara-miasa aminy, ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Pr Assou­macou Elia Béatrice, nankeny Vontovorona, nanohana sy nampahery ireo […]

Vita fety : maro ireo tokantrano mivaro-pananana sy mitrosa

Anisan’ny volana mafy indrindra amin’ny tokantrano Malagasy ny volana janoary. Matetika, lany nanaovana fety ny vola ka lasa mafy ny iatrehana ny fiainana eo. Fa­no­mezana fahafaham-po ny ankohonana, mifety toy ny olon-drehetra, mihinana ha­nim-pitoloha, mianjaika, ma­nao fandaniana tsy am-piheverana…Izany no mandany ny vola noraisina ny faran’ny volana desambra ka tsy […]

Taona 2023 : alatsinainy ny ankamaroan’ny andro tsy hiasana

Andavanandro avokoa ny maro amin’ireo andro tsy hiasana amin’ity taona 2023 ity rehefa narahina ny tetiandro. Tafiditra ho andro alatsinainy sy alarobia izy ireo. Mitontona andro alatsinainy ny ankamaroan’ny andro tsy hiasana kanefa handraisana karama amin’ny taona 2023. Ny sasany milatsaka anaty andavanandro fa tsy toy ny tamin’ny taon-dasa, tafiditra […]