Tanora skoto tily miisa 120 no nirotsaka teny anivon’ny fiarahamonina ny andro voalohany amin’ity taona vaovao 2024 ity. Nampiomana ireo mponina mandritra ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro izy ireo. Nanao fanentanana sy fampiomanana ny mponina ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Menabe, amin’ny fiatrehana izany. Toy ny tao Toliara I, Toliara […]
Fiaraha-monina
Andro ratsy : nihotsaka ny lalana Mahazengy Fianarantsoa
Vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro teto amin’ny Nosy, nihotsaka omaly hariva, ny ampahan-dalana any amin’ ny lalam-pirenena RN7, ao amin’ny fokontany Mahazengy Fianarantsoa, eo amin’ny PK 416+300. Nanodidina ny tamin’ ny 2 ora tolakandro no nirodana izany. Misesy ny oram-be entin’ny rivodoza any an-toerana. Niteraka tondradrano sy fiakaran’ny rano tao […]
Rivodoza Alvaro : 421 traboina, tanimbary 200 ha dibo-drano
Namakivaky an’i Madagasikara, omaly ilay rivodoza Alvaro. Tokantrano 99 tra-boina tany Morombe. Tapaka ny lalam-pirenena fahafito. Dibo-drano ny tanimbary any Beroroha. Hatramin’ny omaly atoandro, 421 ny isan’ny tra-boina tao Morombe. Nisy olona 401 voatery nafindra toerana. Toeram-pandraisana enina : Ambohitsy, Antanandava, Avaradrova, Tsihake ary Tsinjorana no nametrahana azy ireo. Vokatry ny […]
Kaominina Ampitatafika : fianakaviana sahirana 200 nisitraka tolotra
Mponina 200 notsongaina avy amin’ny fokontany 13, eo anivon’ny kaominina Ampitatafika no nisitraka fanampiana tamin’ny faran’ny herinandro. Nahitana vary, menaka, biscuit, vatomamy ho an’ny ankizy izany. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny orinasa mpivarotra fanitso iray eny an-toerana nahafahana nanao ny hetsika. “Tokony hanana zo ho faly sy […]
Taona “bissextile”-2024 : 12 andro no tsy iasana, misy 29 febroary
Toy ny isaky ny efa-taona, miavaka ny 2024. Taona “bissextile” no fiantso azy. 366 ny andro mandritra ny taona satria misy ny 29 febroary. 12 ny isan’ny andro tsy iasana ho an’ny taona 2024, araka ny alimanaka nivoaka. Tafiditra ao anatiny ny zoma 8 marsa hanamarihina ny Andro momba ny […]




