Fiaraha-monina

Analamanga : hitohy ny orana miatoato

Mbola hitohy ao anatin’ny hateloana ny rotsak’orana miatoato sy ny andro manjombona eto Analamanga mandritra ny hateloana. Any amin’ny faritra Melaky ny sisan-drahona nentin’ilay rivodoza Cheneso mitarika ny rotsak’orana saika manerana ny Nosy ankoatra ny any Atsimo Andrefana, hoy ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly. Mitoetra noho izany […]

CEPE sy BEPC : maimaimpoana ny fisoratana anarana

Tsy misy vola aloha intsony na ariary aza manomboka izao fa maimaimpoana ny fisoratana anarana ho an’ny mpiadina CEPE sy BEPC. Io ny fanapahan-kevitry ny fi­tondrana, taorian’ny fangatahan’ny fiombonan’ny sekoly tsy miakina manerana ny Nosy amin’ny tokony hijeren’ny fanjakana ny vola takin’ny foibem-panadinana. Tsy maintsy mitondra vakiraoka kosa ny mpiadina […]

Apipa : manomboka miakatra ny renirano

Andro aman’alina ny fiavian’ny orana tao anatin’ny andro maromaro izao teto Antananarivo. Tsikaritra ho miha miakatra ny renira­non’Ikopa. Nanamarina izany indrindra ny Apipa miandraikitra ny lemak’Antananarivo. Tsy mbola misy anefa ny filazana loza fa voafehy tanteraka ny fikorianan’ny rano raha ny fanazavana. Omaly alatsinainy maraina, 1,69m ny haavon’i Sisaony eo […]

Mandritra ny hateloana: miato ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra

Nandray fepetra hiarovana ny ain’ny mpianatra madinika ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy ny minisitera mpiahy ny fanabeazana. Tokony hanara-baovao hatrany ny ray aman-dreny. Nampahafantatra ny Cisco Antananarivo Renivohitra, omaly, fa miato ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ho an’ny akany fibeazana sy ny sekoly ambaratonga fototra rehetra. Na miankina amin’ny fanjakana […]