Fiaraha-monina

rivodoza gamane : nampitondra faisana faritra maro

Nitondra ora-nikija ho an’ny tapany avaratra ilay rivodoza Gamane izay niditra an-tanety tao amin’ny kaominina Ampisikinana, distrikan’i Vohemar, faritra Sava, omaly maraina. “Tsy nihetsika firy izy, omaly tontolo andro, fa nianatsimo tsikelikely ny fizotrany hatramin’ny anio maraina. Tombanana hivoaka an-dranomasina any amin’ny ditrikan’i Maroantsetra, faritra Analanjirofo izy rahampitso sy anio », […]

Tobin-jandary: nitsidika ireo traboina ny minisitra Fomendraza

Nitsidika ireo traboina vokatry ny haintrano tetsy amin’ny Caserne an’ny zandarimaria Mahazoarivo ny minisitry ny Mponina, Fomendraza Haingo Elisette, ny alarobia teo. Na­no­lotra ireo fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy. Nahita kidoro sy lamba firakotra ary kojakojan-dakozia miaraka amin’ny fitaovam-pianarana izany. Naneho firaisankina tamin’ireo tokantrano 19 niaram-boina ny minisitra. “Vary […]

« Safidiko ny momba ny vatako » : nampitombo ny vehivavy sembana nanatona hopitaly

Nifarana ny tetikasa “Safidiko ny momba ny vatako” ho fampivoarana ny fananahana ara-pahasalaman’ny vehivavy manana fahasembanana. Nisahana izany ny fikambanana Afham tao anatin’ny 17 volana. Faritra roa, Alaotra Man­goro sy Amoron’i Mania, no nanaovana ny tetikasa. “Tsy mbola nanana sampan’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (Afham) ireo faritra ireo. […]