Nanatanteraka asa sosialy hanampiana ireo olona sahirana ny fondation Mohamed IV des Oulémas Africains eto Madagasikara, afakomaly. Nisitraka izany ireo mponina marefo ara-pivelomana 200 isa teo anivon’ny fokontany Amborompotsy, kaominina Talatamaty. Nahitana vary iray gony, menaka roa litatra ary ronono mandry iray boaty avy ny tolotra. Tanjona ny hanampiana sy […]
Fiaraha-monina
Fandriampahalemana: mpiara-miasa akaiky i Madagasikara sy i Etazonia
Nandray ny fankalazana ny nahaterahan’ny fanjakan’i Texas ny masoivoho amerikanina miasa sy monina eto amintsika, Pierangelo Claire, ny alakamisy teo. Nanotrona izany ireo mpitandro filaminana amerikana sy Malagasy ary mpiara-miasa. Nahafahana nifanakalo hevitra momba ny fanamby iombonana amin’ny asa fiarovana an-tanety sy an-dranomasina eto Madagasikara ny fihaonana. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa […]
«Run and Bike» : Hatao ny 21 avrily izao ny andiany fahefatra
Hatao ny 21 avrily ho avy izao ny andiany fahefatra amin’ny hetsika “RUN & BIKE”, karakarain’ny fikambanana TAO. Hotanterahina etsy Ambohibe, ao amin’ny Parking Rouge, izany. Hetsika ara-panatanjahantena ahitana hazakazaka am-bisikileta sy an-tongotra. Tanjona ny hanentanana ny vahoaka malagasy hanatsahatra ny fanaovana herisetra eo amin’ny ankizy tsy ampy taona. Ankizy […]
Tsiafahy: namboly hazo 1 500 fototra ny fikambanana DHEA
Maherin’ny 200 ireo mpikambana ao amin’ny DHEA tonga namboly hazo teny Tsiafahy, omaly. Sady nanohana ny voafonja rahateo izy ireo, nandritra ny fandalovany teny. Hazo fihinam-boa haingam-pitombo miisa 1 500 fototra no nambolen’ny fikambanana’ireo manam-pahaizana nivoaka avy tamin’ny Hautes Études en Administration (DHEA), Enam, omaly, teny Tsiafahy. Miara-mientana manamaitso ny […]
Mpanazava Analamanga Avaratra: Ampifitia ao amin’ny FJKM Ivandry Firaisana
Milofo hatrany amin’ny fanabeazana ny ankizivavy sy ny zatovovavy ao aminy ny sampana Mpanazava Analamanga Avaratra. Manomana rindran-kira lehibe izy ireo iarahana amin’ny Ampifitia, ny alahady izao, ao amin’ny FJKM Ivandry Firaisana, amin’ ny 2 ora tolakandro. Tanjona ny hampandroso hatrany ny fanabeazana ireo ankizivavy sy zatovovavy beazina ao amin’ny […]





