Nampanantena ny fitondram-panjakana fa horaisina mpiasam-panjakana avokoa ireo mpampianatra manana ny mari-pahaizana Mapen sy Capen nivoaka avy ao amin’ny Ecole Normale Superieur (ENS). Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny naoty izay nivoaka ny alatsinainy lasa teo izany. Araka ny fanazavana nentin’ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, « miankina […]
Fiaraha-monina
Any atsimon’ny Nosy: misy fambaran’aretina homamiadan’ ny hoditra avokoa ireo varira
Ambanan’ny aretina homamiadana ny olona manana toe-tena varira any atsimon’ny Nosy. Mijaly izy ireo satria sady tsy manana fahafahana hiaro tena amin’ny aretina no iharan’ny fakana an-keriny. Manohy ny fitetezam-paritra any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny mpitarika ny fikambanana varira eto Madagasikara izay tarihin’ny filohany Soja Fulgence. Tsikaritra nandritra ny […]
Tsy hofoanana aloha hatreto : hotanterahina ny 20 jona 2023 ny CEPE
Hatao ny talata 20 jona 2023 ny fanadinana CEPE. Hotanterahana ny alatsinainy 3 jolay 2023 ka hatramin’ny alakamisy 6 jolay 2023 kosa ny fanadinana BEPC, araka ny didim-panjakana laharana 32731/2022/MEN navoakan’ ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny 5 desambra lasa teo izay mifehy ny tetiandro hanatanterahana sy fisokafana ary fikatonan’ny fisoratana anarana […]
Fiakaran’ny hafanan’ny tany : manana sehatrasa efatra ny Orange Madagascar
Marihina isaky ny 8 desambra ny Andro maneran-tany momba ny toetr’andro. Olana lehibe sedrain’ny firenena rehetra ny voka-dratsin’ ny fiovan’ny toetr’andro, indrindra ny fiakaran’ny hafanan’ny tany vokatry ny fisian’ny entona mangeja hafanana be loatra manimba ny sosona ozona. “Efa manana sampanasa efatra ny orinasam-pifandraisana Orange iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro indrindra […]
Clinique Amadia Faravohitra : omena toromarika ireo ankizy sy tanora diabetika
Tsy aretin’ny zokiolona na ireo efa mahazo taona intsony ny diabeta fa efa mahazo ny ankizy sy ny tanora ihany koa io toe-tena io ankehitriny, hoy ny ao amin’ny Amadia. Hisy, araka izany, ny hetsika karakaran’ity ivontoerana mandray an-tanana ny olona diabetika ity ny asabotsy 10 desambra izao ho an’ireo […]