Nanao fanentanana, omaly, ny talem-paritry ny Fahasalamana ao Boeny, Hoasy Solange, sy ny governoran’ny faritra, Mokhtar Salim, mahakasika ny fihanaky ny areti-maso ao Mahajanga. Nentanina, araka izany, ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba tsy handefa ny zanany any an-tsekoly raha tsy efa tena sitrana mba tsy hamindra amin’ny ankizy hafa. Toraka […]
Fiaraha-monina
Apipa : mitohy ny fanadiovana lakandrano
Nitondra fanazavana ny talen’ny Apipa momba ny fanadiovana ny lakandrano amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao. Nirotsahana avy hatrany ny eny amin’ny fokontany IIIG Hangar, eny amin’ny charbon Ramanandraibe sy i Sainte Marie kely, izay tena nahitana fakobe niteraka fitohanana. Natao ihany koa ny eny amin’ny Dallot ambanin’ny RN58a. toraka izany, ny […]
Volana janoary: miseho amin’ny endriny maro ny famarinan’olona
Iray volana iadiana amin’ny famarinan’olona ny volana janoary. Miseho amin’ny endrika maro izany. Mitaky ezaka amin’ny ankolafin-kery samihafa ny tolona. Endrika famarinana olona ny fanandevozana an-trano izay mihatra amin’ny mpiasa an-trano tsy afaka miala amin’ny asany, iharan’ny fanararaotana ary zara raha mandray karama na tsy mandray mihitsy aza. Eto Madagasikara, […]
Fikambanana GMMAR : nanampy ny traboina tao Manakara
Manoloana ny voina mianjady amin’ny vahoakan’i Manakara, noho ny rivodoza Alvaro, nitondra izay voatsirambin’ny tanany ny «Groupe Mamijo Miaraka amin’i Andry Rajoelina» na ny GMMAR. Nisy ny zoma lasa teo, ny asa tagnamaro nataon’ny sampan’ny fikambanana any an-toerana tamin’ny fanadiovana tanàna. «Asa natakalo vary sy menaka no natao. Tokantrano dimapolo […]
Ambatovy : hanofanana tanora ho «soudeur» matihanina
Fandaharanasa handraisan’olona hiofana arakasa amin’ny lalam-piofanana iray ny “Internship program” atolotry ny orinasa Ambatovy. Tanjona ny famolavolana olona ho tonga teknisianina mahafehy ny fenitra iraisam-pirenena. Natokana ho an’ny mpianatra nahazo diplaoma ny tolotra ka maniry ny ho lasa Soudeur. Telo taona ny faharetan’ny fiofanana ho an’ireo voafidy : fampitana ny […]





