Mamely ny ankizy madinika ny gripa mahery. Lasibatra ireo ankizy any am-pianarana. Raha misy anankiray voan’ny gripa dia mifindra amin’ny ankamaroan’ireo mpianatra izany. Manomboka tsy mianatra tsikelikely ny ankizy. Tonga amin’ny fanaviana ka mitarika ny ankizy tsy afaka manohy mianatra anaty fotoana elaela. Saika ny antsasaky ny kilasin’ireo ankizy madinika […]
Fiaraha-monina
COVID 19: mila averina ny arovava orona
Nanambara ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely fa manoloana ny fiakaran’ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro maromaro farany, tokony handray ny fepetra mifandraika aminy ny tsirairay. Tsy mbola natsahatra ny fepetra sakana hiarovana amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 fa nankinina tamin’ny fahendren’ny isam-batan’olona ny fampiharana izany. Hiditra […]
Fiovan’ny toetr’andro sy ny loto:129 ny valanaretina niseho tamin’ity taona ity
Mirongatra ny valanaretina samihafa manerana izao tontolo izao tao anatin’ny dimy taona farany. Mila manana paikady hiatrehana izany ny firenena tsirairay. 129 ny valanaretina niseho manerana izao tontolo izao, tamin’ity taona ity, raha 106 izany tamin’ny taon-dasa, araka ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Société infectieuse de Madagascar (Spim), profesora Randrianasolo […]
Noely 2022 : manomboka ny fankalazana any am-piangonana
Nanakoako tany am-piangonana, nanomboka omaly, ny hira Krismasy ho fanomanana ny fo amam-panahy hiatrika ny fanamarihana ny fiavian’ilay Mpamonjy. Nanomboka omaly, araka izany, ny Advento na Fiaviana ho an’ny tetiandro litorjika. Efatra herinandro mialoha ny fetin’ny Noely ny Advento, manomboka amin’ny andro alahady. Omaly alahady 27 novambra 2022 hatramin’ ny […]
Ankatoky ny fety: mbola mangatsiaka ny tsena
Iray volana sisa dia higadona ny fetin’ny Krismasy. Tsy mbola hita taratra eny an-tsena anefa ireo entana mampalaza izany fety izany. Tara raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ny fiparitahan’ny karazan’entana eny an-tsena toy ny girlandy, haingon-trano, kilalao, jiro madinika handravahana ny trano, hazonoely… Ny entana vaovao mihitsy no tsy mbola […]