Fiaraha-monina

Seces sy mpianatra: “Tsy hisy ny taona fotsy”

Nihaona ny mpitarika ny Seces, sampana Antananarivo, sy ny solontenan’ny mpianatra amin’ny oniversiten’Antananarivo, nitafa momba ny tohin’ny hetsika sy ny tontolon’ny fampianarana ambony. Voaresaka manokana ny tsy hisian’ny taona fotsy eny Ankatso satria samy tsy mahita tombontsoa amin’izany ny mpianatra sy ny mpampianatra mpikaroka. Hiroso amin’ny fandoavana ny saran’ny ora […]

Mpamonjy voina : manentana ny mponina hisoroka ny loza

Nahitana trangana firehetana misesisesy tato anatin’ny fari-piadidian’ny Tanànan’An­ta­nanarivo Renivohitra tato ho ato. Anisan’izany, ny tetsy Mahamasina, Behoririka… vao tamin’ity herinandro ity avokoa. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny mponin’Antananarivo, isam-batan’olona, isan-tokantrano, isaky ny toeram-piasana ny Vondron’ny sampana mpamonjy voina. Anisan’izany ny handraisana fepetra tandrify ny tsirairay amin’ny fisorohana ny loza […]

Vita ny roa volana voalohany: “Tsapa fa ambany ny fari-pahaizan’ny mpianatra”

Anatin’ny fanadinana fitsapana voalohany amin’ny taom-pianarana ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Ambany ny fari-pahaizan’ny ankizy hoy ny tomban’ny mpanabe. Hifarana anio ny roa volana voalohany amin’ny taom-pianarana 2023-2024 fa hiditra amin’ny fiatoana herinandro ny mpianatra sy ny mpanabe. Nisy ny fanadinana hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra tamin’ity herinandro ity. Amin’ny ankapobeny, […]

Loko misy firamainty : loza ho an’ny fahasalamam-bahoaka

Nitondra fanazavana ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana momba ny herinandro maneran-tany ho fisorohana ny fa­na­poizinana avy amin’ny firamainty anaty loko. Andiany faha-11 nisian’ny hetsika amin’ity taona ity. “Manatsahatra ny fanapoizinana avy amin’ny firamainty” no lohahevitra. Iarahana manatanteraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny Alliance mondiale ny hetsika izay tarihin’ny OMS […]

MADAGASIKARA: niatrika ny tetikasa “RDRM-OI”

Nandray anjara tamin’ny atrikasa mahakasika ny Tetikasa momba ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny loza na RDRM-OI i Madagasikara, ny herinandro teo, tany amin’ny Nosy La Réunion. Mpandray anjara tamin’izany ireo firenena 5 ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina. Nojerena ny fomba hametrahana ny vovonam-paritra miompana amin’ny fitantanana ny loza sy ny […]