Fiaraha-monina

Farafangana : nitsidika ny renivohitra ireo mpianatra 15

Nitsidika an’Antananarivo ireo mpianatra 15 sangany tamin’ny fahafahana fanadinana CEPE sy BEPC farany teo, avy any amin’ny disitrikan’i Farafangana, omaly. Nitarika azy ireo, tamin’izany, ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, Raby Sava­tsarah Ain’Harimanga Gabriel­le. Tanjona ny hampirisihana ny zaza hiezaka sy hilofo amin’ny fianarana satria zava-dehibe ny fanabeazana. Nitsi­dika toerana maro […]

Kaominina Ambavahaditokana : nampandroso sehatra maro ny tetikasa Voanio

Nampahafantarina omaly ny vokatry ny tetikasa Voanio, teny amin’ny kaominina Ambavahaditokana. “Azo avy amin’ny RFF Fifa, izay rafitra misahana ny fitantanana ny fako ao an-toerana ny tetikasa”, hoy ny mpandrindra, Andrianjafitrimo Mamy Victorine. Nandritra ny taona iray nanatanterahina ny tetikasa dia nisongadina ny fikojakojana ny tontolo iainana izay miady amin’ny […]

Zava-dehibe ny fitiliana : manasongadina ny lentan’ ny laboratoara ny Clam

Tsy azo iodivirana ny fanaovana fitiliana ireo karazana vokatra avoakan’ny orinasa mialoha ny hamarotana azy eny an-tsena na hanondranana azy any ivelany. Manana ny toerany ny laboratoara manao izay fitiliana izay. Hotanterahina eny amin’ ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny 6 no­vambra izao, ny Andron’ny Consortium de laboratoire de Madagascar na […]

Ady amin’ny famarinana olombelona : nofanina ny mpiasan’ny Ravinala Airports

Anjaran’ny mpiasan’ny sera­nam-piaramanidina, ao amin’ny orinasa Ravinala Airports, any Nosy Be no nisitraka ny fampiofanana mahakasika ny ady amin’ny famarinana olombelona, izay nataon’ny BNLTEH. Nampahafantarina azy ireo ny karazana mari-pamantarana manan-danja izay mety hitarafana trangam-pamarinana olombelona. Amin’ny maha mpisehatra voalohany azy ireo eo amin’ny fifamezivezen’ny olona eny amin’ny seranam-piaramanidina, manana […]

INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatry ny “Toussaint ” isika ankehitriny. Mitombo ny fivezivezena any amin’ny faritra Atsinanana sy any amin’ireo faritra hafa izay mankalaza ny 1 novambra. Manentana ny rehetra, araka izany, ny ATT mba samy hitandrina ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Eo koa ny fanamarinana ny taratasin’ny fiara rehetra sy ny […]