Haharitra 12 volana ny tetikasa «Elect’echo» tanterahin’ny Coalition des radio ho an’ny eto Madagasikara. Hampita hafatra amin’ny alalan’ny fandaharana samihafa vokariny ny onjam-peo sivy mpiara-miasa. Tanjona ny hampiely feo momba ny fampahafantarana ny andraikitry ny olom-boafidy sy olom-boatendry ny tamberin’andraikitra sy ny zo sy adidin’ny olom-pirenena eto amintsika, araka ny […]
Fiaraha-monina
Fiantsenana : Efa maro ireo mampiasa karatra Visa niomerika
Efa maro ireo mampiasa ny karatra niomerika hividianana zavatra amin’ny internet eto Madagasikara. Ireo mpanafatra entana ivelany ihany koa dia efa tsy mikirakira vola intsony fa amin’ny alalan’ny karatra niomerika no manao ny fiantsenana. Efa tsy azo hihodivirana intsony ny fampiasana ireny karatra ireny ary efa fizarana sahady amin’ny hoavy […]
« Rallye mathématiques », andiany faha-22: Nitombo ny isan’ny sekoly nandray anjara
Notanterahina teny amin’ny Lycée français Ambatobe, omaly, ny dingana famaranana ho an’ny fifaninanana atao isan-taona, « Rallye mathématiques » andiany faha-22, eny anivon’ny sekoly manerana ny Nosy. «Natao ny volana desambra 2025 ny fifanintsanana teny amin’ny sekoly tsirairay mandray anjara, narahin’ny fifaninanana teny amin’ny faritra, ny volana janoary. Sekoly sivy […]
INDRAY MIJERY
Marihina ny 2 avrily ny Andro maneran-tany ho fanentanana momba ny autisme. Mikarakara hetsika ny antenne isam-paritry ny fikambanana Autisme Madagascar. Ho an’ny eto Analamanga, hisy ny fifampizarana sy fijoroana vavolombelona momba ny autisme sy ny andavanandron’ny fianakaviana manana olona autiste ao an-trano. Eny amin’ny tranomboky monisipaly Analakely no handraisana […]
Minisitra Franconion Mac Denis : « Vonona hiasa ao anatin’ny fanavaozana isika »
Nambaran’ny minisitra vaovao, misahana ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Franconion Mac Denis na i « Coco » fa sambany aminy ny toerana sy andraikitra noraisina izao. « Vonona isika hiasa ao anatin’ny politikan’ny Fanavaozana. Efa nitantana teny anivon’ny kaominina izahay ary nanao vikin-dava ary izao tonga eto amin’ity minisitera […]




