Fiaraha-monina

Etazonia : manohana ny fizarana lay misy odimoka

Hiaro olona amin’ny aretina tazomoka maherin’ny 28 tapitrisa ny vinan’ny filoha amerikana. Nanomboka ny 26 oktobra lasa teo ny ady atao amin’ny tazomoka, vatsian’ny governemanta amerikana vo­la. Tohanana, mandritra izany, ny fizarana lay misy odimoka 2,9 tapitrisa isa ho an’ny eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ny fizarana lay misy […]

Tsy fanjarian-tsakafo : miara-miasa i Etazonia sy i Madagasikara

Nidinika mahakasika ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo sy ny fahaiza-miatrika izany eto Madagasikara ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo sy ny masoivohon’i Etazonia, Claire Pierangelo, omaly. Ny fomba fambolena manaja tontolo iainana no anisan’ny fahombiazana anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ankoatra ny tohana vonjy aina sy ny fanampiana ara-tsakafo, miara-misalahy amin’i […]

Aretin-koditra lagaly : mila mitsabo tena ny iray trano

Areti-mifindra sy miitatra saingy azo tsaboina ny lagaly. Tsy maintsy miara-mitsabo tena ny mpianakavy raha vao misy marary. Nitondra fanazavana ma­hakasika ny aretina la­galy ny dokotera Raha­rimanana Zo, ao amin’ny CHUSSPA. Areti-mifindra ny lagaly. Vokatry ny fifampikasohana akaiky tamina olona efa misy lagaly no ifindrany. Olona miara-matory, miara-mipetraka, na nampiasa […]

Fampianarana teny anglisy : feno 50 taona ny Cnela Antsahabe

Ivontoerana nasionaly mampianatra ny teny anglisy ny Cnela. Manamarika ny faha-50 taona nampianarany izy ireo amin’ity taona ity. Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisite­ran’ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa, ny Cnela, ary manana rantsana any amin’ny faritra. Nanatanteraka loabary an-dasy niompana tamin’ny fandinihana ireo fomba vaovao enti-mampianatra ny teny anglisy ao […]

INDRAY MIJERY

Manampy betsaka ho fiarovana amin’ny aretina mitarazoka tsy mifindra ny fampiasam-batana. Anisan’ izany ny fiakaran’ny tosidra, ny diabeta… Nanatanteraka “randonnée” 8,3km ny mpiara-miasa eo anivon’ny fitaleavana misahana ny ady amin’ny aretina tsy mifindra (DLMNT), anio, ho fanombohan’ ny fanentanana ny tsirairay hampiasa vatana. Mandray anjara amin’ny “Global Leadership Forum 2024” […]