Ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny fiahiana ara-tsosialy ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Fomba fiasa matihanina sy maharitra no tanjon’ny Fanavaozana. Tsy mijanona amin’ny fanampiana vonjimaika intsony ny vina fa miatrika ny fototry ny fahantrana mba hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina sy hampitomboana ny fahafahan’ny vahoaka miatrika […]
Fiaraha-monina
Oniversiten’i Barikadimy, Toamasina :Tonga ny fanitso miisa 2 772 ho an’ny tranon’ny mpianatra
Telo volana taorian’ny fandravan’ny rivodoza Gezani vao tonga eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina, ny fanitso miisa 2 772 isa hanafoana ny tranon’ny mpianatra “Conaco” miisa 22. Misy kojakoja feno hampiasaina miaraka amin’ny fanitso: faîtière galva miisa 440, cornier galva miisa 4 400 sy loko izay mitotaly 487 405 600 Ar. […]
Vovonana RALI : « Mila lamina vaovao ny fambolena sy fiompiana »
Tafiditra ao anatin’ny politikam-pampandrosoana entin’ny Vovonana « Rassemblement des agriculteurs libres et indépendants » na Rali, ny fanomezan-danja ny mpiantsehatra rehetra anatin’ ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana. Tanjona ny hisian’ny fifandanjan’ny tombontsoa azon’ny tsirairay. Manomboka amin’ny fanovana ny toe-tsaina izany. Andaniny, ny tantsaha tsy iankindoha amin’ireo voalaza ho mpiara-miasa aminy. Ankilany, tsy […]
INDRAY MIJERY
Fandalovana rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny, mandritra ny herinandro. Hahazo vahana hatrany anefa ny tsioka avy atsinanana na ho an’ny tapany avaratra atsinanana. Tombanana hisy alondrano avy atsimo andrefana handalo ny morontsiraka Atsimo Andrefana sy Anosy amin’ny faran’ny herinandro. Hanorana malefaka miatoato, amin’ny […]
Fahasalamana: Mitaky ny sata ho an’ny dokotera ny MCR
Manao antso ny dokotera tonga saina ho amin’ny fanavaozana (MCR) fa tokony hiray feo sy hiray hina izy ireo amin’ny fanarenana ny tontolon’ny asa fitsaboana sy ny maha dokotera mpitsabo. Mitaky “statut particulier” na sata manokana izy ireo fa sady fianarana mafy no asa mafy iankinan’ny aina no asan’izy ireo. […]




