Tonga nanao voinkava-mahatratra ny mponina any Ankazomborona, kaominina ambanivohitra Andranomavo, distrikan’i Soalala, ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Niharam-boina ny fokontany noho ny haintrano nandrava ny tanàna. Betsaka ny fatiantoka. Trano 400 no kilan’ny afo. Lasa lavenona ny entana sy ny vary rehetra. Tsy manan-kialofana ireo olona 750 amin’izao fotoana. Mitentina […]
Fiaraha-monina
Fampianarana : vola 790 lavitrisa Ar hitazomana ireo vehivavy an-tsekoly
Ampirisihina hianatra ny ankizivavy ary hatao izay mahatamana azy sy ho tia fianarana. Hanompanana vola izy ireo mba tsy ialany an-daharana amin’ny fianarana fa hahatozo hatramin’ny farany. Fantatra nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, ny faran’ny herinandro teo, fa vola mitentina 790 lavitrisa Ar no entina hitazonana an-tsekoly ireo zazavavy. […]
Semipi Fianarantsoa : matotra ny fiaraha-miasa amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa
Tontosa ny alakamisy 24 oktobra 2024 teo ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2024-2025 ho an’ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) Beravina Fianarantsoa. Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, izay nanamafy tamin’ireo mpianatra fa zava-dehibe ny fanarahana ny fitsipi-pifehezana, ny fahaiza-miaina […]
FIKAMBANANA KOLOINA: 14400 ireo zaza nisitraka kopia nahaterahana
Nikarakara varavarana misokatra tetsy Antaninarenina, omaly, ny fikambanana Koloaina. Nampahafantarina nandritra izany ny momba ny fikambanana, ny fomba fiasany, ny asa ataony ary ny vinany amin’ny taona hoavy manaraka. Miompana amin’ny fampandrosoana ny sosialy ny ankamaroan’ny fandaharanasa ataon’izy ireo, eto an-toerana. Tanjona ny hanovana toe-tsaina eo amin’ireo mpisitraka sy hivelarany […]
Fondation Axian: mendrika ho tohanana ny akany Mikolo Fanantenana
Nitondra tolo-tanana ho an’ny akany Mikolo Fanantenana, eny Ambohijanaka, ny Fondation Axian, omaly. Horaisina an-tanana ny hofan-tranon’ny akany mandritra ny taom-pianarana 2024-2025, hanamaivana ny vesatra. Nitondra vary 5 gony sy kojakojam-pianarana ho an’ny ankizy ihany koa izy ireo. Akany mitaiza ankizy kamboty sy zanaky ny fianakavina tena sahirana eny Ambohijanaka […]