Ho maina, amin’ny ankapobeny, ny habaka saika manerana ny Nosy, raha ny vina mandritra ny herinandro. Hahazo vahana anefa ny tsioka avy atsinanana ho an’ny tapany avaratra atsinanana sy ny ilany atsinanan’ny afovoantany, amin’ny faran’ny herinandro. Tsy hisy tranga mahery vaika mety hanakorontana ny toetry ny andro. Hisy orana avy […]
Fiaraha-monina
Antsirabe I sy II : Sekoly efatra nahazo fotodrafitrasa vaovao
Fotodrafitrasa vaovao efatra momba ny fanabeazana no notokanana tao Antsirabe I sy II, ny faran’ny volana lasa teo, ao anatin’ny tetikasa “Anjara”, tohanan’ny Vondrona eoropeanina. Tanjona ny hampisitraka zo ireo zaza amin’ny fanatsarana ny fahazoana fanabeazana any an-dakilasy. EPP Tsivatrinikamo, CEG Tsiafahy, EPP Fiadanana ary CEG Andranomanelatra no niantefan’ny tetikasa. […]
Fandaharanasa IVLP : Malagasy telo mianadahy sangany
Nahomby ny fandraisan’ireo Malagasy mpitarika anjara tamin’ny fandaharanasa fifanakalozana “International Visitor Leadership Program (IVLP)» natao tany Etazonia. Nandray ny taratasy manamarina izany izy ireo, ny herinandro teo. Nisitraka izany ny Dr Volatiana Andriananja, i Richard Andrianavalomahefa, ary i Tsitohaina Arthur Ralihivao, izay samy tafaverina eto an-toerana. Vonto traikefa sy vonona […]
CHUJRA : Misokatra andro aman’alina ny sampana fandidiana maika
Asa miankina aman’aina ny ao amin’ny sampandraharahan’ny fandidiana maika, ao amin’ny CHUJRA. Ireo tena mila izany noho ny loza mitranga no raisina an-tanana voalohany. Mampahafantatra izany fisokafana andro aman’alina izany ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fandidiana maika eo amin’ny hopitaly CHU JRA, ny profesora Rakotoarison Nicole. Varavarana voalohany handraisana ny […]
INDRAY MIJERY
Hihazo ny faritra Analanjirofo ny mission medico-chirurgicale, hampisitraka tolotra fahasalamana maimaimpoana ho an’ny vahoaka eny an-toerana. Ao amin’ny Hopitalibe Fenoarivo Atsinanana no handraisana ny hetsika ny 5 ka hatramin’ny 7 mey ho avy izao. Tolotra ara-pahasalamana isan-karazany ahitana fandidiana Hernie, Kyste, appendicite. Fitsaboana nify, ativava sy fitsaboana maso ary fizaham-pahasalamana […]




