Valo ny olona maty nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Telo amin’izy ireo mbola tsy naharenesana vaovao hatreto. Mahatratra 17 ireo tsy hita popoka nandritra izany raha ny tatitra voaray teo anivon’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 46 394 ireo traboina manerana ny Nosy. Tsy maintsy nafindra toerana noho ny fiakaran’ny […]
Fiaraha-monina
Rivodoza Cheneso… Mbola mitondra rotsak’orana be
Tsy ahina ny hiverenany an-tanety fa kosa hivoatra any amin’ny maherin’ny 100 km miala ny morontsiraka ato anatin’ny telo andro manaraka i Cheneso. Noho izany, mety ho voakasiky ny tafiotra manodidina ny 50 hatramin’ny 80 km isan’ora ireo distrika amin’ny morontsirak’i Menabe sy Atsimo Andrefana, omaly sy anio. Vokany, iangaviana […]
Ambohidratrimo sy Avaradrano ary Atsimondrano… tsy mianatra ny mpianatra rehetra anio sy rahampitso
Vokatry ny rotsak’orana misesy izay miteraka fiakaran’ny rano, tsy mianatra ny mpianatra rehetra eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo. Amin’ny 30 janoary indray vao miverina ny fampianarana. Namoaka filazana ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo ary Avaradrano amin’ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fampiatoana ny fampianarana anio sy rahampitso. Amin’ny alatsinainy […]
Tazomoka ao Vangaindrano : nofanina ireo lehiben’ ny CSB miisa 56
Ao anatin’ny faritra mbola ahitana aretina tazomoka betsaka ny ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano. Nofanina hanaraka ny kalitaon’ny fitsaboana ity aretina ity, ireo lehiben’ny CSB miisa 56 any an-toerana. Avy amin’ny tobim-pahasalamana tsy miankina any an-toerana ny telo amin’ ireo nahazo fiofanana. Tanjona ny hisitrahana fomba fitsaboana ny aretina tazomoka mitovy […]
Tatitry ny BNGRC : olona fito maty, 14 tsy hita popoka
Miisa fito ireo maty vokatry ny fandalovan’i Cheneso. Vehivavy tototry ny trano ny iray tamin’izy ireo raha ny tatitra voaray avy amin’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 13 ireo tsy hita popoka tao anatin’izany. Mbola tsy naharenesam-baovao ny dimy tamin’izy ireo. Mahatratra 10 728 ireo olona tsy maintsy nafindra toerana vokatry ny fiakaran’ny […]




