Fiaraha-monina

Soavimasoandro: lehilahy tratra teny ambony moto halatra

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny commissariat central Tsaralalana teny Soavimasoandro sy Analakely, ny zoma teo, ny lehilahy roa voarohirohy amina halatra moto. Raha ny fanazavan’ny polisy, nitondra moto nandeha nivavaka ny lehilahy iray ny 17 desambra 2022 lasa teo. Napetrany teo amin’ny fiantsonan’ny moto. Tsy hitany teo amin’ny toerana […]

Asa fanaovan-gazety: nodimandry i Marc Razafimaharo

Nampahafantatra ny fianakaviany fa nodimandry, omaly, Razafimaharo Marc Rivoson. Mpanao gazety, mpanolotra vaovao nandritra ny taona maro tao amin’ny Radiom-pirenena Malagasy (RNM) izy. Ny fanolorana ny vaovao amin’ny 12 ora sy sasany atoandro no tena nahatsiarovan’ny maro azy. Nialoha izay, efa niasa tao amin’ny gazety Atrika izy. Anisan’ireo niara-niasa tamin-dry […]

Mirongatra ny valanaretina: hentitra ny fanajana fepetra any amin’ny hopitaly

Olona tokana ihany no afaka miandry marary eny amin’ny hopitaly, voafetra ny isan’ny mpamangy… Tsy maintsy mipetaka ny arovava orona. Hentitra ny fanajana ny fepetra rehetra hisorohana ny fifindran’ny valan’aretina amin’ny marary sy ny manodidina. Nohamafisina ny fifampifehezana napetraka eny amin’ny hopitaly sy tobim-pahasalamana mikarakara marary. Nohavaozina ny peta-drindrina mampilaza […]

Tatitry ny HJRA: roa ny maty, 46 niditra hopitaly   

Miisa  2 ireo olona  maty  nandritra ny  fankalazana ny  fetin’ny Krismasy teo, raha ny tatitra nataon’ny  eo anivon’ny  hopitaly HJRA.  Miisa 46  ireo niditra hopitaly.  Nahatratra 223 ireo tonga nizaha fahasalamana teny an-toerana, hoy Rafilipison Nathalie, lehiben’ny  sampana serasera eo anivon’ny  HJRA.  Nahitana olona narary avokoa ny sampana vonjy taitra […]

MATSF-MTP: fokontany maitso efatra mendrika

Nanatanteraka fifaninanana mikasika ny fokontany maitso ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany niaraka tamin’ny minisiteran’ny Asa vaventy nanomboka ny volana aogositra teo. Fokontany efatra tamin’ireo 11 nandray anjara no hita nisongadina ka nomena  mari-pankasitrahana, omaly. Anisan’izany ny fokontanin’Amoronankona, Soamanandrariny, Amboditsiry ary Ambohimahitsy. Tanjona ny hanaovan’izy ireo ezaka amin’ny […]