Fiaraha-monina

Toy ny fanaony isan-taona : manatona mirary soa ireo polisy ny minisitra

Toy ny isan-taona, apetraky ny minisitry ny Filami­nam-bahoaka (MSP) ho soatoavina ny fidinany miaraka amin’ireo mpiara-miasa ami­ny miarahaba sy mirary soa ny polisim-pirenena eny amin’ny toeram-piasana misy azy avy. Nanombohana izany ny Hery vonjy taitran’ny polisy eny Antanimora, nitohy teny amin’ny commissariat central Tsaralalana, teny amin’ny mi­nisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy, teny […]

Taona 2023 : manantena filaminana ny vahoaka

Taona vaovao 2023, ma­nantena fiainana tsara kokoa sy hiaina anaty filaminana ny ankamaroan’ny olona nanaovana fanadihadiana. Mba hahafahana miatrika am-pifaliana sy am-pitoniana ny asa, ny adidy ary ny andraikitry ny tsirairay. Fa irin’ny olona koa ny mba hisian’ny fivoaram-piainana sy fahasalamana ary fahombiazana eo anivon’ny tokantranony tsirairay avy. “Apetraka dieny […]

Covid-19 : mila mailo hatrany amin’ny fifampiharabana

Fotoanan’ny fivorivoriana sy ny fitangoronana ny volana janoary, hifamotoanan’ny mpi­anakavy sy ny fikambanana manao fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao. Mila mailo hatrany anefa satria mbola miparitaka eny amin’ny fiarahamonina ny aretina Covid-19. Mila hajaina hatrany ny fepetra ara-pahasalamana rehetra hisorohana ny aretina. Anisan’ny tena saropady ireo ankizy madinika sy ny […]

May ny Bloc 15, Cité Vontovorona: mpianatra 50 traboina tsy manan-kialofana

Nitady vahaolana haingana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho an’ireo mpianatra traboina eny Vontovorona. 50 ireo tsy manan-kialofana ary nomena toerana vonjimaika. Naniraka avy hatrany ny mpiara-miasa aminy, ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Pr Assou­macou Elia Béatrice, nankeny Vontovorona, nanohana sy nampahery ireo […]