Anisan’ny volana mafy indrindra amin’ny tokantrano Malagasy ny volana janoary. Matetika, lany nanaovana fety ny vola ka lasa mafy ny iatrehana ny fiainana eo. Fanomezana fahafaham-po ny ankohonana, mifety toy ny olon-drehetra, mihinana hanim-pitoloha, mianjaika, manao fandaniana tsy am-piheverana…Izany no mandany ny vola noraisina ny faran’ny volana desambra ka tsy […]
Fiaraha-monina
Taona 2023 : alatsinainy ny ankamaroan’ny andro tsy hiasana
Andavanandro avokoa ny maro amin’ireo andro tsy hiasana amin’ity taona 2023 ity rehefa narahina ny tetiandro. Tafiditra ho andro alatsinainy sy alarobia izy ireo. Mitontona andro alatsinainy ny ankamaroan’ny andro tsy hiasana kanefa handraisana karama amin’ny taona 2023. Ny sasany milatsaka anaty andavanandro fa tsy toy ny tamin’ny taon-dasa, tafiditra […]
Filoha Rajoelina Andry: nahavita be ny fanjakana, mbola betsaka ny hatao
Anisan’ny nanaovan’ny filoha Rajoelina Andry jery todika ny tamin’ny taona lasa. Eo koa anefa ny hiatrehana ny ho avy, araka ny nambarany tamin’ny lahateniny, ny asabotsy teo. Anisan’ny nambarany ny fanavaozana ny fitantanana ny fananantany mba tsy hisian’ny fanararaotana. Ao anatin’izany ny fizarana kara-tany hatrany amin’ny roa tapitrisa, iarahana amin’ny […]
Mpianatra any ivelany : mitaky ny tohana avy amin’ ny fanjakana
Manao antso avo amin’ ireo tompon’andraiki-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika sy amin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry ny vondron’ny mpianatra mahazo vatsim-pianarana any ivelany . Mikasika ny tsy mbola nandraisan’izy ireo izany ho an’ny taona 2020-2021. Mampiara-peo anaty fanambarana miaraka ny mpianatra any Tunisie, Algérie, Indonésie, Russie, Chine, […]
“Raharaha CrouA”: Helohin’ny Mafami ny fibodoana tanin’ny oniversite
Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Mpianatra ambaratonga ambony, mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly avy amin’ny faritanin’Antananarivo miray, omaly. “Manameloka ny fibodoana ny tanin’ny oniversite izahay na inona antony na inona endrik’izany”, hoy izy ireo, tetsy Ambanidia. Niantso sy nanentana ny rehetra koa anefa izy ireo mba hanaja ny lalàna velona, indrindra fa […]





