Efa niasa avy hatrany, 24 ora taorian’ny nahavoafidy azy ho Papa Ray Masina, i Léon XIV. Ankoatra ny tsodrano nataony afakomaly alina, ho an’ny kristianina maneran-tany sy ny katolika, anisan’ny be mpiandry ny lamesa rahampitso. Hihazakazahana ny mankany Vatican, eo amin’ny Kianjan’ny Masindahy Piera. Zava-dehibe sy mifono zava-dalina ny […]
Indraimbava
Mihetsiketsika be!
Mbola mafampana ny raharaha politika. Mangotrangotraka kely taorian’ilay raharaha “Patrick Gate”. Ampamoaka nipoapoaka, niafara tamin’ny fanesorana ny lehiben’ny mpanao famotorana teo anivon’ny zandarimaria. Tsy mbola mangina tanteraka akory ilay fanambaran’ny kolonely. Samy mifampitazantazana sy mifampiandriandry ny rehetra. Tsy maintsy mailo sy malina ny olom-pirenena. Mila mitandrina amin’ny zava-drehetra mba […]
Aoka ho sahy
Vita indray aloha iny ny « tabataba party » niarahan’ny mpikirakira tambajotran-tserasera niresaka politika. Samy naka aina, omaly. Samy nipetraka tamin’ny toerany avokoa ny mpifanasa vangy, indrindra ny tsy mitovy firehana mahakasika ilay raharaha kolonely nalazabe resaka iny. Samy nitazana ny fivoaran’ny zava-drehetra. Miandry rahateo ny tohin’ilay fanambarana tamin’ny kaonty Facebook […]
Banja malalaka
Ohatra ny mafampana hafahafa izany ilay toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao. Inona ny zava-misy marina any ambadika any? Izay no fanontaniana mivoaka am-bavan’ilay Malagasy manara-baovao. Tsy mahasakana azy hanaraka ilay raharaha politika ny fahantrana mikiky ny andavanandrom-piainany. Hatreto, tsy misy mahay izay zava-dalina fonosin’ireto karazana fanambarana miseholany etsy sy […]
Misy farany
Fomba fiaina tena mamorika ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao ny fizahozahoana sy ny fanaovana kely tsy mba mamindro. Tsy mifidy sata na saranga fa dia samy manampatra ny heriny raha vantany vao mahita hirika hamelezana. Tena mampalahelo ny toe-javamisy. Mirehareha ny tompon’ny hery, voambaka ny manam-panahy. Very tanteraka ny […]