Indraimbava

Mora manadino

  32 taona sahady ! manamarika ny tantaram-pirenena malagasy ny andron’ny 10 aogositra. Andro izay niarahan’ny rehetra nahalala fa namadika ny pejin’ny tontolo politika teto Madagasikara. Nanomboka tamin’izany fotoana izany no voalaza ho demokratika ny firenena satria nisy ny onjam-peo tsy miankina voalohany teto amintsika. Nahazo vahana ny filazana fa malalaka […]

Am-bava homana !

  Mandeha tsara, manaraka ny tetiandro ny savaranonando amin’ny fampielezan-kevitra. Efa eny an-kianja avokoa ny kandidà efa nanambara ampahibemaso ny maha kandidà azy. Toraka izany ny mpanohana aty an-drenivohitra sy ireo nafarana avy any ampita. Samy manana ny paikadiny fa ny itovizany dia mikendry ny tanora, andaniny. Milalao ny faharefoan’ny […]

Miandry fa Gasy !

Tapitra izay ny telo herinandro nomena ny minisitry ny Angovo, mahakasika ny delestazy. Andrasana ny fivoaran’ny fahatapahan-jiro sy ny fahasahiana handray fepetra hanasazy izay tomponandraikitra tsy nahavita ny asany. Iaraha-mahalala rahateo fa raha misy ny fitavozavozana amin’izany, ny filohan’ny Repoblika ihany no hizaka ny vokany voalohany. Tsy te hahalala afa-tsy […]

Tombontsoa… ratsy

  Tsy misy mahita tombontsoa amin’ny korontana na fanakorontanana? Indrindra amin’ny politika… Resaka ka atao, tian-kateza. Misy ndeha hinia hanakorontana fotsiny izao ve raha tsy mahita sy mikendry tombontsoa amin’izany? Manakorontana mba hahazoana manararaotra ny toe-javatra hanilihana na hanapotehana ny hafa, ohatra, na hakana bahana na vahana raha ratsy toerana […]

Mifameno fa tsy mifamono

Fiteny ny hoe tsy misy fampandrosoana raha tsy misy fandriampahalemana. Izay no miantoka ny famokarana sy ny fihariana. Tsy misy fihatsaram-piainana, raha anjakan’ny olon-dratsy izay atao. Mety ho rava sy very ao anatin’ny fotoana fohy izay nisasarana an-taona maro. Izay no maha zava-dehibe ny fampanjakana ny fandriampahalemana… maro lafy. Manomboka […]