Indraimbava

Tena mila jerena

  Hanao ahoana ny fiainam-bahoaka? Tsy hita be ihany… Tsy mahafa-bela, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa… Ny orana amin’ny famokarana aza, iri-mahory fa tafahoatra amin’izay ilaina. Hanao ahoana ihany? Na ahoana na ahoana, tsy maintsy atrehina madavantaona ny fiainana isan’andro. Eny, na eo aza, ohatra, […]

Ilay toe-tsaina!

  Nahafinaritra ny fiaraha-nijery basikety, omaly, teny Mahamasina, ho an’ireo izay afaka nanatrika nivantana. Nampitaintaina ny lalao roa nifanesy, indrindra ilay nandraisan’ny Ankoay anjara. Nifanalavitra ny vokatra ho an’ny Ivoariana sy ny Malagasy, izay resy lavitra. Niady hatramin’ny farany kosa ny ekipan-dry Sitraka sy ry M’Mady, ary Elie. Ny indrokely, […]

Tompondaka

  Raha ny seho sy fahaizana mivarotra dia tompondaka ny Malagasy. Mampiaiky volana ny mahita ireo olona, toa anjely raha jerena amin’ny tambajotran-tserasera. Rehefa zohina akaiky anefa ny fiainany, anisan’izay farahidiny. Ny trano itoerany, ny asa fanaony andavanandro anefa dia anisan’ny farahidiny tokoa. Tompondakan’ny “werawera”. Mifanindran-dalana amin’izay ihany koa, maro […]

Mamerin-kasina!

  Tato ho ato dia ohatra ny tsy maharesy lahatra izany intsony ny tombana ataon’ireo avy ao amin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro. Raha milaza fa hafana sy tsy hanorana izy ireo, mbetika anefa ora-mikija arahina havandra no miseho. Raha milaza hisy orana kosa dia midongizina tsy mety mitomany […]

Mila sarotiny!

  Efa mba nitsahatsahatra ny orambe mikija tato ho ato. Mazava ny filazana avy amin’ny mpamatatra ny toetry ny andro. Tsy misy atahorana intsony aloha ny fitohizana lavareny. Somary mba hihena ihany koa, araka izany, ny firidan’ny fiakaran’ny renirano, nampitondra faisana tao anatin’ny andro vitsivitsy. Tsy midika akory izany fa […]