Indraimbava

Tsy ho valalan’amboa

  Mihazakazakabe ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Tsy mahasakana ny afo manodidina ny politika tsy hirehatra ny lalaon’ny Nosy, izay hanomboka anio. Samy mitondra ny lohany ilay Malagasy. Manao izay mahametimety azy manokana. Tsy mizaha ilay tombontsoa iarahan’ny besinimaro intsony. Voazarazaran’ny «ahy aloha» vao ny hafa. Mahatonga saina ny zava-miseho. […]

Maka lesona

  Raikitra amin’izay ! Nanomboka omaly ny fandraisana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mifanindran-dalana amin’izay ny nahavitan’ny fanaovan-tsonia ilay fifanarahana politika, novolavolain’ny Friedrich Ebert Stufftung, fikambanana alemà. Samy maneho fahavonona ny mpiantsehatra rehetra. Misy ihany anefa ny mametraka fepetra mba hisian’ny fifidianana tena madio sy […]

Toa lelon-jaza

  Andro vitsy dia hanomboka ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy. Efa misy tonga eto Madaga­sikara ny vahiny mpilalao. Mihazakazaka manaraka izay ny fanamboarana ny fotodrafitrasa isan-karazany. Misy mahavita majia mihitsy amin’ny fanenjehana tetiandro. Mahafinaritra ny fiaraha-mientana satria miaro ny voninahi-pirenena. Tsy afa-miala amin’ny fiarahamonina iraisam-pirenena rahateo i Madagasikara amin’ny […]

Boribory vetaveta!

Miraradraraka an-tany ny ran’olombelona tsy manan-tsiny. Maro ny rava fananana anatin’ny indray mipi-maso. Betsaka ny maratra sy mitondra takaitra mandra-maty. Santionany amin’ny voka-dratsin’ny lozam-pifamoivoi­zana niseholany tato ho ato izany. Mampalahelo fa noho ny tandrevaka sy ny fanaovana antsirambina ary indrindra ny tsy firaharahana ain’olona no mahatonga izany. Marina, tsy maty […]

Mila milamina

  Ny fahantrana mahazaka maniraka? Mby an-tsaina ho azy amin’izany ny hoe anisan’ny mahatonga ny olona hanaotao foana ny fahantrana. Nefa eo koa ny fitiavan-tena, ny fitia te hanambe haingana sy tampoka. Izany no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana etsy sy eroa amin’izao? Misy tonga amin’ny famonoana tsy ahoan-tsy ahoana, fakana […]