Indraimbava

Mifamono

  Nahaontsa ny maro ny zava-nitranga, omaly. Aina roa no indray nafoy, vokatry ny taribin-jiro tsy voaaro eny anivon’ny fiarahamonina eny. Nandatsa-dranomaso ny maro ny nahalalana fa niezaka ny nanala sy nanavotra ny namany ny iray. Tsy nisy azo nialana nenina fa niara-nody any amin’ny Ray, tao anatin’ny indray mipi-maso […]

Fahanginana hafahafa

  Inona no zava-miseho? Mahagaga fa dia mangina tanteraka ny tanàna. Tsy andrenesam-peo ny politika. Na mpanohitra na mpanohana fitondrana dia tsy hita be ihany. Izay mba hangatahana fihaonana dia misafidy ny manakombom-bava. Izy angatahina hiresaka an-gazety indray no tezitra. Inona marina no zava-miseho. Ny azo ambara aloha, hita ho […]

Firaisankina

  Miaina anatin’ny karazan-tsedra maro ny Malagasy, ankehitriny. Tsy asiana resabe intsony ny lafiny sosialy sy ny toekarena. Iaraha-mahita fa latsaka an-katerena hatrany anaty vilany. Ny hohaninana anio, tadiavina raham­pitso, hoy ny sangisangy zaritenan’ireo bokan-trosa. Tena sahirana ara-pivelomana ny ankamaroan’ny olona. Tsy izany anefa no atao fitaovana hoenti-manakorontana ny firenena. […]

Mamerin-doha

  Somary nangingina kely ny raharaha politika taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana izay ho ben’ny Tanàna, manerana an’i Madagasikara. Ny mpitazana ety ivelan’ny fitondrana sy ny heverina ho mpanohitra samy tsy handrenesam-peo. Ny mpanohana sy mpiara-mitantana koa, sahalan’ny nanakombom-bava. Zara raha misy ny minisitra sahy miseho masoandro. Vitsivitsy no sahy manohana ampahibemaso […]

Hafakely

  Raha misy firenena sy mpitondra hafakely dia ity Madagasikara malalantsika ity. Tsy mbola nisy angamba mpiasam-panjakana nahazo tambiny mitentina 97 tapitrisa Ariary isan’olona ho mari-pankasitrahana izany. Fa nisy tokoa izany amin’izao maha filohan’ny Repoblika an-dRajoelina Andry, an’i Madagasikara, izao. Efa-dahy monja no nisantatra izany isanisany. Manginy fotsiny ny 25 […]