Indraimbava

Rano milamina, manafim-boay

  Vita ny fety, efa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Mitohy ny asa aman-draharaha. Mihodina manaraka izany koa ny raharaham-pirenena. Ny fitondrana, manohy ny fandaharanasany. Miketriketrika fifidianana. Midina ifotony mambabo ny fon’ny vahoaka. Mbola mandeha hatramin’ny fametrahana vatofototra. Na nilaza aza ny filohan’ny Repoblika fa mihantona izany. Voalazany fa […]

Mahaleo tena isan’andro

  Vita iny ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovan­tena, na teo aza ny fiantsoana sy fihantsiana tsy hanatrehana izany. Ahoana ny manaraka? Ny fitohizan’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Voafafan’izay ve ny fahasahiranana andavanandro mandavantaona? Nitondra inona àry ny fankalazana? Mba tsy fombafomba sy fahazarana fotsiny… Tena misy sy iainana ny Fahaleovantena? […]

Niova fianjaika !

  Salanitra ry ambanilanitra, indrindra isika mpamaky ny Taratra. 19 taona sy efa-bolana aty aorian’ny nivoahan’ny laharana “aotra”, miova endrika ny gazety. Miova mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny fanoratana. Miezaka ny mpanao gazety sy ny mpitantana, hifampizara vokatra tsara kalitao. Voakasik’izany ny lafin’ny teknika sy ny […]

Mifety am-pahamendrehana

Andro vitsy, hanamarika ny fiverenan’i Madagasikara ho mahaleo tena  ny vahoaka malagasy eto an-toerana sy any ampitan-dranomasina. Andro manan-tantara na dia sembanin’ny adilahy politika sy ny resabe momba ny maha-vazaha ireo mpitondra nifandimby teto hatrizay ka mandraka izao. Tsy atao itarina lavabe intsony ny mahakasika izany fa aleo mba samy […]

Miandry lava izao !

Mamita iraka any ivelany ny filohan’ny Repoblika, ankehitriny. Midika izany fa tsy manohintohina ny toerana sy ny andraikitra sahaniny ny resabe miseholany etsy sy eroa. Mazava be, tsy hisy rahateo ny hahakitikitika azy hatramin’izao, satria mbola ao an-damosiny ny Foloalindahy sy ny mpitandro filaminana rehetra. Mampiseho firaisan-kina sy firaisan-tsaina rahateo […]