Indraimbava

Rivo-doza !

Mbola tsy sitrana ny fery navelan’i Batsirai, efa nanao ny nataony koa ity ingahy Freddy. Mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny hetraketraky ny natiora ny vahoaka malagasy. Maro ny rava fananana, betsaka ny tanàna efa dibo-drano. Ho maro ny traboina. Raha ny tombantomban’ny manampahaizana, mety hahatratra 2 tapitrisa ny olona […]

Governemanta T.I.M !

Teo Ihany no Miverina ( TIM) ! Vita ny fanovana governemanta, izay nandrasan’ny maro. Tsy nozoviana amin’ny besinimaro ny anaran’ny mpikambana vaovao. Mpanao politika sy teknisianina efa nitana andraikitra, indrindra niara-dalana tamin’ny Filoha hatrany amin’ny tetezamita. Andaniny, maro ny faly ny mpanohana fitondrana, indrindra fa ny akaman’ny tsy very seza. Ankilany, […]

Fotoana fandinihan-tena sy teny izao

21 febroary. Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny rahampitso. Ho an’izay mahalala, tsaroana hatrany ny fano­loran-tenan’ny mpianatra dimy tao Dacca tamin’ny 21 febroary 1952. Namoy ny aina ho an’ny tenin-dreny? Mba ho teny ofisialy ny teny Bangla, fa tsy ho tenim-pirenena faharoa. Izay no niavian’i Bangladesh ho renivohitr’i Pakistan, taorian’ny adim-panafahana. […]

Tsy afa-miala !

Mazava ny lalan-kizoran’ny firenena ankehitriny. Tsy maintsy miroso amin’ny fanovana ny fitondrana. Miditra amin’ny fampidirana ekipa vaovao indray, hiara-hanamory ny lamasinina. Fito volana mialoha ny fametrahan’ny filoham-pirenena fialana , filaharam-be ny fanaterana CV na ny antontan-taratasy hifantenana ny hiondrana. Fepetra maromaro no takina amin’izay hifantenana, toy ny fandraisana anjara mavitrika […]

Aza be kajy!

Taitra tao indray ny filoha ! Hisy ny fanovana amin’ny governemanta afaka andro vitsy, raha ny tombana satria efa vita ny fisaorana. Betsaka ny fanehoan-kevitra momba izany, nanomboka afakomaly hariva mandraka izao. Fanovana atao inona ? hoy ny malailay fonosana. Tena ilaina kosa, hoy ny mpanohana mahafatra-po. Ireo nilaza fa […]