Indraimbava

Valala any an-danitra

Amin’ity herinandro ity, hono, amin’ny herinandro ambony, hono! Asa izay marina fa dia samy manana ny filazany ny olona mahakasika ny ho fijoroan’ny governemanta vaovao. Ny azo antoka, efa tsy ho ela satria eto Madagasikara ny filohan’ny Repoblika. Izy izay tompon’ny teny farany amin’ny zava-drehetra. Raha ny tsilian-tsofina re, anatin’ny […]

Asa… anamarinan-toerana

Mby aiza ny hoe fampandrosoana amin’izao? Samy miaina izay isiany andavanandro ny isam-batan’olona, ny isan-tokantrano, ny isam-paritra. Tena maharesy lahatra ny vahoaka ifotony ve, ohatra, izay ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny hoe fampandrosoana? Na araka izay hetahetam-bahoaka sy mahasoa azy ho amin’ny fari-piainana tsaratsara kokoa hatrany izay atao sy iadiana… Izay no […]

Tena mafy ny ady !

  Misahotakotaka ery ny isan-tokatrano amin’izao fotoana izao mandeha miala sasatra. Maro ny fianakaviana mamonjy ranomasina ny avy aty am-povoantany. Tsy vitsy ihany koa ireo avy any amin’ny sisiny, miakatra aty an-dRenivohitra. Tsy maha­sakana ny fialana voly ny adim-piainana efa ho lava. Mifanindran-dalana amin’izay, miditra anatin’ny vanim-potoana ny famadihana sy […]

Aia koa ro ahita ?

  Mahoraka ny any an-drenivohitr’i Boeny. Vory lanona any avokoa ny solontenan’ny mpiasan’ny fahasalamana maherin’ny 4000, hoy ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Vory lanona mampiseho firaisankina izy ireo. Samy nahatonga solontena avokoa ny avy amin’ny faritra rehetra. Maresaka ny tanàna, mafana manaraka ny toetr’andro ny ambiasy. Miredareda ery ny firaisam-pon’ny […]

Tompom-pahefana 

  Mamita iraka any ivelany ny delegasiona malagasy tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mihaza­ka­zaka ny fifanatonana amin’ny samy afrikanina. Omaly no nifarana ny fitsidihana tany Guinée Bissau. Raha ny voandalana, indrindra amin’ny sehatra diplaomatika aloha dia tena mahavelombolo. Manginy fotsiny ny tombom-barotra amin’ny serasera sy fampahafantarana an’i Madagasikara. Any Angola […]