Hankalaza ny fetin’ny noely na ny krismasy ny mponina maneran-tany, manomboka anio misasakalina. Fotoana voatondro fa nahalatsahan’ny tavonin’i Jesoa Kristy tany Betlehema. Ora niantombohan’ny famonjena ny zanak’olombelona, hoy ny mpino izay resy lahatra. Izy ilay tsy notorontoronina tamin’ny nofo fa noforin’ny Fanahy Masina, ilay « mahagaga ». Izay rahateo ankoatra ny fitsanganany […]
Indraimbava
Tsy misy fahagagana
Vao miresaka atsimon’ny Nosy dia mby ao an-tsaina ny hanoanana sy ny haintany. Efa mivadika anefa ny rasa ankehitriny. Vao miandoha ny fahavaratra, efa mikija ny orana. Miakatra izaitsizy ny rano, mandrakotra tanàna maro. Manomboka misy ihany koa ny lalana tapaka, toy ny eny amin’ny Lalam-pirenena faha-13. Maro ny fiara […]
Manjelanjelatra !
Mianoka anatin’ny fetin’ny Noely tanteraka isika ankehitriny. Namaky lay ny fankalazana miezinezina ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry. Mananjara samy mananjara ny mponin’ Antananarivo. Tafiditra an-dapa, tsy misy sakana ny sarambabem-bahoaka. Malalaka ho an’ny besinimaro tanteraka ny fivezivezena ao anatin’ny Lapan’Ambohitsorohitra. Vita ravaka tsara tarehy miaraka amin’ny hazavana tsy hita noanoa. Mambabo […]
Fijery miabo
Resabe hatramin’izao ny fahataran’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Isan-taona anefa, rehefa volana desambra vao mipaika ny faha-10 na faha-11 ny volana dia efa maharay hafatra miafina avy amin’ny banky. Mifamahofaho be ny antony mahatonga izany. Toy ny mahazatra, tsy misy ny filazana na fanazavana ofisialy avy amin’ny tomponandraikitra. Samy mangingina […]
Namono biby tsy nahafaty
Mizotra moramora ny raharaham-pirenena, ankehitriny. Manao ny asany an-tsakany sy andavany avokoa ny mpitondra mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Eny fa na mpivangabao aza ny ankamaroan’ireto farany. Hatreto, tsy mbola mieritreritra ny handeha hiala sasatra ny eo anivon’ny governemanta. Tsy misy ny fanambarana ofisialy, mifandraika amin’izany. Mety tsy hisy mihitsy […]




