Ny firafitra na ny mpikambana eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no hoe olan’ny mpanohitra sasany amin’izao. Mila fanovana, hono, fanamboarana. Toy izany koa ny amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Ny lalàna no mila finitsiana? Indray voafaoka amin’izany ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, anisan’ny mampitaraina […]
Indraimbava
Mila sahy ny vahoaka !
Mangingina ny tanàna, tsy hita be ihany ny handraisana azy. Mitohy ny andavanandron’ny mponina. Seriny amin’ny paikadiny ny mpanao politika. Ny mpandraharaha, ankilan’izany sahirana amin’ny fitazonan’aina ny fidiram-bolany. Vao manomboka ny taona, samy rempotra sy sempotra daholo ny malagasy, tsy an-kanavaka. Olom-bitsy, izay migoaka ny tombontsoa tsy hita pesimpesenina amin’ny […]
Mandinika lalina !
Vao omaly isika no nihiakiaka tamin’ny fitarazohan’ny fidinana ifotony nataon’ny fitondram-panjakana. Nivaha omaly ihany ny ahiahy satria ny Filoham-pirenena, Rajoelina Andry, mihitsy no namaky lay ny fitetezam-paritra hijerena ny sosialim-bahoaka. Nisy ny vonjy rano vaky sy ny fanampiana izay tena marefo. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fizaham-pahasalamana sy hetsika samihafa. Miroso ny […]
Sasa-miandry ny vahoaka
Dimy andro taorian’ny filazan’ny Filoham-pirenena fa hijery ny sosialim-bahoaka amin’izay ny fitondrana izay tarihiny dia miandry ny vahoaka any ifotony. Nilaza ny handeha hitety faritra izy, ka handrasana ny tetiandro mahakasika izany. Efa mivoajamala ny tra-boina, izay sady noana no rava fananana. Manginy fotsiny ny fiatrehana ny fidangan’ny vidim-piainana, iarahana […]
Mivoatra
Na inona laizana na inona ambara, azo lazaina fa anisan’ny firenena miezaka ny miala amin’ny kolikoly i Madagasikara. Nahazo laharana 16 be izao, tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Transparency International, nivoaka omaly. Mazava ny finiavana ataon’ny Filoham-pirenena sy ny ekipa tarihiny. Manao ny fomba rehetra hahatsara endrika an’i Madagasikara any ivelany. Anisan’ny […]





