Mahatsiravina toa maharikoriko izany ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Toa tsy misy hasiny intsony ny aina. Tsy mampaninona izany hoe mandatsa-dra izany. Tsy an-tanàn-dehibe, tsy any ambanivohitra fa manapoaka izay afaka manapoaka, mamono izay te hamono. Mahavalalanina tsy hita izay ilazana azy. Na izany aza, tsy takona […]
Indraimbava
Mandry tsy lavo loha
Vita izay ny fifidianana ! Mangingina ny tanàna. Milamindamin-dratsy ny andavanandron’ny mponina eto an-drenivohitra. Mitohy ny fiainana andavanandro na misy aza ny tso-drivotra hafahafa, mitsoka any ambadimbadika any. Rivotra politika, izay iniana voizina mba ikorontanana. Tsy hay mazava ny ipoirany fa izy efa mahoraka etsy sy eroa no manaitra. Ny […]
Lesoka… lesona
Vita iny ny fifidianana. Mbola ifikiran’ny sasany amin’izao ny hoe krizy na korontana politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Misy ny saina efa vonto sy donto amin’izany, miandry kendry tohina fotsiny. Tsy maka lesona amin’izay lesoka? Amin’izao, mandeha avokoa ny karazana famakafakana hanamarinan-tena fa marina sy mety izay nolazaina, […]
Aoka tsy ifanakora!
Samy milaza ho mpandresy ny mpifanandrina politika taorian’ny androm-pifidianana. Ny andaniny, efa iaraha-mahita ny findangan’ny voka-pifidianana. Tafakatra 70 % amin’ny vato manan-kery no azon’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Efa manome ny endrim-pandresana ho azy amin’ny fihodinana voalohany izany. Izy rahateo efa matoky tena nandritra ny fitetezam-paritra nataony. Natoky […]
Voa roa !
Nizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana, natao omaly, manerana ny lafivalon’ny Nosy. Tsy nisy araka ny nivoizan’ny sasany mialoha ny herisetra sy ny sotasota. Indrokely tamin’ny birao fandatsaham-bato vitsy dia vitsy ny fisian’ny olona nametaka afisy manentana ny olona tsy hifidy, na ny tsy nanaiky haka ny […]